Boriborintany I

> Resy lahatra amin’i Robinson sy Me Hanitra ny eny ambany tanŕna


  • Talata 10 Desambra 2013


Resy lahatra ! Hanohana ny Me Razafimanantsoa Hanitra sy ny kandidà Robinson Jean Louis ny Fikambanan’ny tanora liam-pivoarana eny ambany tanàna (FTLA), tarihin’i Dera. «Manohana anareo sy ny kandidà ho filoham-pirenena, Robinson, izahay ary tsy mitaky tambiny», hoy izy ireo ny sabotsy teo, tetsy Anatihazo Isotry. Tetsy an-kilany, Me Hanitra, kandidà depiote laharana faha-6 dia nanambara fa «Nesoriko ny akanjo maha mpisolovava ahy fa hisalotra ny maha mpisolovava ny vahoaka aho izao… Miara-miasa isika manomboka izao ary tsy hanaiky ny tsy rariny sy ny kobaka am-bava. Misokatra ny varavarana ka vonona ny hihaino anareo izahay. Fitia mivaly fitia ny antsika…», hoy izy. Hanomboka anio, miaraka amin’ny angady sy harona ny hetsika «Fifaninanana fahadiovana», iarahana amin’i Me Hanitra sy ireo eny ambany tanàna.

 

RHR

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

Hijery ny tohiny
FTT