Boriborintany fahatelo

> Manetsika ireo mpiara-dia eny ifotony ny ankolafy Ravalomanana


  • Alakamisy 28 Novambra 2013

Ora sisa no isaina dia hanomboka amin’ny fomba ofisialy ny fampielezan-kevitry ny fifidianana filoham-pirenena fihodinana faharoa miaraka amin’ny solombavambahoaka izay hotontosaina amin’ny zoma 20 desambra 2013.

Samy efa miomana sy mandamina ny paikady hiatrehana izany vanim-potoana izany ireo etamazaoro politika rehetra. Ho an’ireo kandidan’ny ankolafy Ravalomanana ao anatin’ny Boriborintany fahatelo, ohatra, dia efa mipetrapetraka ireo lamina hoentina miatrika ny fandresen-dahatra ireo olom-pirenena feno taona manan-jo hifidy. Anisan’ny vaindohan-draharahan’ny kandida Rajonhson Mamy sy Andriamahefarinoro William ny manetsika ireo hery velona mitovy tarigetra amin’izy ireo eny anivon’ny Fokontany. Araka izany dia tsy tapaka ny fivoriana sy fihaonana amin’ireo mpikambana miara-dia amin’ny ankolafy Ravalomanana eny ifotony. Fotoana izay natokana hifampizarana vaovao sy hitondrana ireo soso-kevitra samihafa hanatsarana ny fomba hifampiresahana sy hampitana ny hafatra amin’ny mpifidy.

 

Ramano F.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

Hijery ny tohiny
FTT