Boriborintany Faharoa Antananarivo Renivohitra

> Miha mahatoky ny kandidŕ Rastany hatrany ny mponina


  • Alarobia 11 Desambra 2013

Mitohy tsy tapaka ny fitetezana Fokontany ao amin’ny Boriborintany faharoa ataon’ny kandidŕ depiote Randrianarisoa Stanislas na Rastany atolotry ny movansy Ravalomanana sy ireo mpiray lisitra aminy.

Miha mahatoky an’ity kandidà laharana 34 ity ankehitriny ny mponina rehefa nisy ny fampahafantarana azy misimisy kokoa miaraka amin’ny laharana faharoa ao amin’ny lisitra tarihany dia Ranaivorazo Raobelina Fenomanjato na ny MCT Feno. Tsaroan’ny maro ireo fanampiana sesehena nentiny teo anivon’ity boriborintany ity raha tsy mbola volombolon’ny ho kandidà depiote akory izy. Ampahany tamin’ireny ny fanamboarana ny tafon’ny kianja mitafon’Ankatso, ny tetezana teny Avaratr’Ankatso (Fkt 5 A), ny kianja baskety nomen’ny EPP Ambohipo, ny fanatsarana ny Ceg Ambohipo sy efitra 4 tao amin’ny Epp Ambolokandrina, ny kianja filalaovana tsipy kanetibe ao Ankatso, ny fanadiovana ny tatatra tao Ambatoroka ary vao omaly ny fanolorana fanitso an’ireo rava trano taorian’ny orambatravatra ny alahady teo teny Volosarika. Mahafantatra tsara ny manahirana ny tanora eny amin’ny Boriborintany faharoa  ny kandidà Rastany amin’ny maha filohan’ny ekipan’ny FAM Ambohipo mpilalao tsipy kanetibe azy ary mahafantatra ny olan’ny mponina eny an-toerana amin’ny naha mpanolotsain’ny tanànan’Iarivo azy izay tsy nanaiky lembenana mihitsy tamin’ny fitavozavozana nataon’ny mpanatanteraka tao. Efa fantatra avokoa, araka izany, ny lalàna haroso eny Tsimbazaza hoentina manarina ny fiainam-bahoaka sy manohy ny efa niarahana nanao hatrizay.

 

Ntsoavina Evariste

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

Hijery ny tohiny
FTT