Boriborintany faha-6

Tsy tana i Todisoa sy ny vahoaka fa ho poa-droa !


  • Alarobia 22 Mey 2024

Lasa izao! tsy tana intsony ny vahoaka fa poa-droa. Leo fahantrana sy fahasahiranana indrindra ny

fidanganan'ny vidim-piainana, tsy fisian'ny asa, tsy fandriampahalemana ny vahoaka. Leo ny jiro sy rano tapaka lava sy filaharana rano lava amin’ny « bidon jaune », leo ny jadona sy fampitahorana lava ary teritery. Fidio ny laharana faha 6 hiaro sy hanampy anao hatrany fa tsy mba hanenina », hoy ny kandida Todisoa Andriamampandry sy ny ekipany. « Ambiance » hatrany hatrany an’elakelantrano, faly foana ny mponina mitsena, eny fa misy olona aza mahavatra manamboatra sakafo «composé » misy soratra Todisoa. Mahatsiaro sahirana ny vahoaka toy ny olan’ny rano sy jiro tapaka lava, ka hifidy ny N°6 fa leo ny zava-misy, hoy izy ireo. ⁠ Rakotra vahoaka izay aleha, toy ny teny Ambodihady sy ny fokontany sasany, izay hatramin’ireo TGV aza resy lahatra, toa an-dRaliva TGV sy ny ekipany. Ny mpitarika TGV sasany toa an-dry M. Bary ao Ambodivoninkely sy Voahirana lasa nanohana ny N°6. Isan’andro andro misy foana no mivadika noho ny fahitan' izy ireo ny fahasahirana sy fahantrana misy sy fahadisoam-panantenana amin’ny mpitondra, ka lasa mitaona ny olona hifidy ny Kandida TIM sy Vovonana Firaisankina ao amin’ny boroborintany N°6. Nananamafy hatrany ny olona, fa maro ny asa sosialy sy fotodrafitrasa vita teo ary niara-nitakosina hatrany tamin’ny fokonolona na fahoriana na fifaliana ny depiote Todisoa, ka ravo ny vahoaka. Mitohy ny asa sosialy, natomboka ny tetezana izay nampikaikaika ny vahoaka tao Ambodivonkely ary vola avy any am-paosin’ny depiote avokoa no anaovana azy raha tokony asan'ny CUA izany fa tsy nisy vitany hatreto. Nanoro ny fotodrafitrasa rehetra vita tao Anosivavaka sy Betafo ary mbola nampanantena fa hamita izay rehetra mbola tsy vitan'ny mpanantanteraka. Nanentana ihany koa ny kandida Todisoa fa efa manomboka ny « cours » maimaimpoana ho an’ireo zanaka sy zandry manao fanadinana. ⁠ Efa manomboka ihany koa fisoratana anarana amin’ny didim-poitra faobe maimaimpoana miaraka amin’ny malabary sy kilalao.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Talata 05 Mey 2026

Hanomboka anio ny

  • PAN-Raharaha Naivo Raholdina
  • Talata 05 Mey 2026

«Mbola tsy azo esorina ny

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

Hijery ny tohiny
FTT