Boriborintany faha-6

Nibata fandresena miezinezina ny lisitra Todisoa


  • Alakamisy 30 Mey 2024

Nandravarava ny lisitra notarihin’ny kandida Todisoa Andriamampandry laharana faha-6

narotsaky ny TIM sy ny Vovonana Firaisankina tao amin’ny Boriborintany faha-6 eto Antananarivo. Nitarika tamin’ny isam-bato ambony dia ambony izy ireo tao anatin’izany. « Poa-droa e ! Misaotra an’Andriamanitra lehibe fa vita soa aman-tsara ny fifidianana izay ho Solombavambahoaka ka nahazoana fandresena miezinezina ary nandresy avokoa tamin’ny 31 fokontany rehetra izay misy na dia vonjy maika aza, ary mankasitraka ny mpiray tanindrazana rehetra zay nanefa ny adidy masina teto amin’ny boriborintany faha-6. Manome toky fa hiaro sy hanasoa ny vahoaka hatrany, ary hanompana ny fiainana rehetra sy fanomezam-pahasoavana ho an'ny vahoaka Malagasy. Mankasitraka ny mpifaninana tamin’ny tenanay ary averiko fa mpifaninana isika fa tsy mpifahavalo ary fifaninana masina no natao. Ny Tompo anie hitahy antsika rehetra. », hoy i Depiote Todisoa omaly, naneho ny fihetseham-pony teo amin’ny pejin-tseraserany. Efa naman’ny eny Tsimbazaza hanohy ny asa maha solombavambahoaka, hanohy ireo asa sosialy izay fanaony ho fanampiana ny vahoakan’Ambohimanarina na dia tokony ho asan’ny mpanatanteraka aza, saingy tsy vitan’ny fitondrana. Tsy dia fahita firy izany mitarika amin’ny fokontany 31 izany, saingy io noporofoin’ny vahoaka io. Andrasana ny vokatra ofisialy, fa raha ny vonjimaika aloha, dia tanteraka ny fanambin’ny Lisitra Todisoa Andriamampandry sy ny vahoakan’ny Boriborintany faha-6 dia ny ho poa-droa.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT