Boriborintany faha-4

Hifampitady i Rossy sy Désiré TMH…


  • Alakamisy 30 Mey 2024

Voasambotry ny ekipanay teny Anosibe, boriborintany faha 4, ireo olon'i Fidy TMH.

Nahatrarana bileta efa vita marika mialoha (bulletin pré-coché) sy karapanondro maro be tany am-paosin'izy ireo, hoy i Paul Bert Rahasimanana na Rossy omaly. Fiara 4x4 miisa 3 no tazana mitondra ireo bandy ireo ary vao maraina dia efa tazan'olona. Mampiahiahy ny fihetsik'izy ireo koa dia efa natao ny andrimaso ary izao tratra izao ny teti-dratsy. Tsy azo ekena izany koa andao isika rehetra hamonjy birao fandatsaham-bato anio hariva fa mitady hanao loham-boto ireo hanisika ny vatony ao anaty "urne" sy hampihorohoro ny mpiasa eo anivon'ireo Biraom-pifidianana, hoy hatrany ny depiote Rossy. Nisy moa ny antso nataon’i Rossy tamin’ny Préfet sy ny Sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimaria, ary ny Lehiben’ny Polisy nasionaly. « Tratra ireto TMH ireo izay nomena anareo mpitandro ny filaminana fa navotsotr’ireo nanolorana azy. Miantso ny vahoakan’ny boriboritany faha-4 indrindra ireo eny Anosibe miantso ny mpanao gazety rehetra sy ny firaisamonim-pirenena ho vavolombelona . Alaivo sary dia alefaso aty », hoy i Rossy. Andaniny, nilaza kosa i Désiré Rafidimanana filohan’ny TMH sady kandida hoe : « Ho avy any amin’ialahy izahay hiaro ny anay ! Ohatran’ny mandefitra loatra aho, aza teren’ialahy aho haka fahavalo an’ilay, fa tsy zakako intsony izao anaovan’ialahy anay izao». Mafampana ao amin’ny Boriborintany faha-4 ao ka asa izay hiseho mifanindran-dàlana amin’ny fifidianana izay andrasana ny ofisialy fa raha ny vonjimaika aloha dia ny Firaisankina sy ny IRMAR no mifanenjika ny antontan’isa ?
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT