Boriborintany faha-2

> Notsofindrano ny kandida solombavambahokan’ny AVANA, Mme Lala


  • Alakamisy 28 Novambra 2013

Manana kandida solombavambahoaka ao amin’ny Boriborintany faha-2 ny antoko Avana. Olom-baovao eo amin’ny lafiny tontolo politika saingy teknisianina izy 5 mianadahy izay tarihin-dRtoa Andriamanantsoa Lalanirina.

Navondron’ny tarigetran’ny antoko handrava ny fitiavantena izy ireo hametrahana ny tombontsoan’ny vahoaka «Ny vahoaka aloha». Mandray andraikitra eto amin’ny firenena izy ireo ao anatin’ny fanapariahana ny fotokevitry ny AVANA dia ny fametrahana ny tany tan-dalàna, fitsinjovana sy fitsinjarana ny harena misy avy amin’ny fampanjakana ny demokrasia. Nataon’ny Mme Lala ho tarigetra ny fampandrosona ary fampivoarana ny Boriborintany faha-2. Efa manana volavolan-dalàna haroso eny amin’ny Antenimiera izy. Amin’ny maha vehivavy ny mpitarika dia ady ho azy ireo ny hametraka ny miralenta. Hita taratra izay fifandanjana eo amin’ny lahy sy vavy izay eo amin’ny kandidan’ny AVANA ao amin ny Boriborintany faha-2 izay roa ny vehivavy. Solombavambahoaka akaiky ny vahoaka izay hametrahana solontena isaky ny Fokontany mba hampirindra ny serasera ary hanoro sy hanentana ny olona vanona sy mandroso. Raiamandreny be tao an-tanàna no nitsodrano ary nanotrona azy ireo ny birao politikan’ny antoko AVANA. Efa misokatra ihany koa ny biraon’ny antoko ao amin’ny tsenan’Ambohipo, handrindra ny asa, indrindra ny fampandaniana ny Dr Robinson Jean Louis aminy fihodinana faharoa.

Ramano F.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

Hijery ny tohiny
FTT