Hafa raha samy fitondrana ity indray mitoraka ity. Hafa ny lazain’ny vavan’ny mpitondra, mifanohitra amin’izay anefa ny zava-mitranga.
Raharaha iray nitana ny sain’ny maro ary niteraka resabe an-gazety sy tamin’ny haino aman-jery ary teny amin’ny tambajotran-tserasera ny raharaha Bekasy, ilay notondroina ho atidohan’ny fanondranana andramena. Tamin’ny jolay, nialoha kely ny fifidianana Ben’ny tanàna no nisamborana ka nanaovan’ny Bianco famotorana azy avy eo natolotra ny “Chaine pénale anti-corruption” 67ha. Navotsotra izy sy ireo olona roa niray dosie taminy, fa hoe tsy feno ny fanadihadiana. Niverina indray ny raharaha ary telo lahy izy ireo no natolotra ny “Chaine pénale anti-corruption” tamin’ny 28 septambra 2015, ka teratany Malagasy ny roa dia i Bekasy sy Herizo ary teratany sinoa, Xu Jianey, mpandraharaha tompona tranombarotra lehibe iray eo Behoririka ny fahatelo natolotra. Vesatra anenjehana azy ireo ny resaka kolikoly, fitaterana sy fanondranana an-tsokosoko andramena ary koa famotsiam-bola. Nivoaka ny didy savaranonando mampiditra am-ponja azy ireo teny Antanimora, ny harivan’io ihany.
Tsy misy indrafo ?
Nahazo sitraka ny fitondrana teo, fa hoe izay vao hanao zavatra satria sambasamba fa nisy “gros bonnet” nidoboka. Toa fampandriana adrisa ihany anefa izany, ary toa tsidi-pahitra fotsiny ihany ny an-dry Bekasy no teny Antanimora. Efa nisy nahita tatsy amin’ny Nosy Maorisy izy. Re aza izao fa any Chine any ny lehilahy. Tsy nisy fonja vaky, na filazana fikarohana olona nitsoaka tao Antanimora, tato ho ato. Ny lojikan’izay dia sady nahazo fahafahana vonjimaika i Bekasy no nofoanana ny IST (interdiction de sortie du territoire) tsy ahafahany mivoaka an’i Madagasikara. Ny Fitsarana ihany no afaka manome izany. Raha nihaino ny praiminisitra lehiben’ny governemanta anefa mikasika ity trafikana andramena ity, dia tsy misy indrafo amin’izay tratra fa any am-ponja am-polony taona. Aiza anefa izay eo, sa misy dian-tanany koa ao ambadik’ity raharaha Bekasy ity ? Teny Namontana aza moa, depiote vavy iray nenjehin’ny mpitandro ny filaminana marobe, fa nitondra vola be roa baoritra, mitentina 1 miliara. Nambara fa “tratra ambodiomby” nefa tsy nisy tohiny hoe inona ?
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.