Politique

Bizina ataon’ny CST Fiaran’ny prezidansa nitondra vatosoa 6 taonina


  • Talata 04 Oktobra 2011

Manomboka mamaky bantsilana ny zavatra ataon’ireo mpanao politika ny eo anivon’ny zandarimariam-pirenena.

 Omaly dia nilaza ireo zandary teny Ankadilalana fa fiaran’ny prezidansa, 4x4, iray no tratra nitondra vato sarobidy milanja 6 taonina ny alahady 2 oktobra. Araka ny voalazan’ny zandary dia hetsika manokana hiadiana amin’ny fanenjehana ireo mpanao bizina amin’ny harena ankibon’ny tany no nahasaronana azy ity. Ny nahavariana tamin’ity hetsika ity dia nahoana no vato avy any Ikalamavony avy hatrany no sarona ? Heverina fa efa nisy ny fanangonam-baovao mikasika azy ity fa tsy tongatonga ho azy izany. Miandry ny famotorana ilay mpikambana ao amin’ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita (CST) voalaza fa nampiasa ilay fiarakodia an’ny prezindansa ny maro amin’izao. Ho hita eo raha tsy hisy indray ny “intervention” amin’ity raharaha ity ka ho maty momoka ny asan’ny mpitandro ny filaminana.

 

Mohamed

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT