Politique

Birao maharitra teo aloha Tsy nahazo nanao tatitra tao an-dapa


  • Zoma 19 Jolay 2019

Taorian’ny fifamindram-pahefana teo amin’ny birao maharitra teo aloha sy vaovao eo anivon’ny Antenimieram-pirenena dia nikasa hanao tatitra momba ny asa vita na ny fe-potoana farany teo ny filohan’ny Antenimieram-pirenena teo aloha, Jean Max Rakotomamonjy sy ny filoha lefitra faritanin’Atntsiranana Mahazoasy Freddie;

 

Gaga sy talanjona anefa ny mpanao gazety raha nandre ny tenin’ity filoha teo aloha ity nilaza tampoka fa niova ny fitondrana ka tsy mety intsony ny fanaovana tatitra ka voatery hafindra amin’ny fotoana sy toeran-kafa. Raha ny fanazavan’ny teo anivon’ny Antenimieram-pirenena indray dia efa vita ny fifamindram-pahefana ka sao tsy mitovy ny zavatra efa voarakitra ao anatin’ny tatitra sy izay hotenenina. Mifono zavatra hafa mihitsy ny raharaha hoy ireo nanatri-maso. Sao mba hisy indray ny valifaty politika ? Asa aloha fa dia yita soa aman-tsara ny fifamindram-pahefana teo amin’ny filohan’ny Antenimieram-pirenena vaovao Razanamahasoa Christine sy ny filoha teo aloha Jean Max Rakotomamonjy; Nizotra tao anatin’ny fifanajana sy fahatsorana ny fotoana.

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

Hijery ny tohiny
FTT