Mety hiakatra 60 miliara ariary ny fanotana ireo biletà tokana ampiasaina amin`ny fifidianana ben`ny tanàna. Biletà roa isaky ny mpifidy mantsy no ampiasaina raha oharina amin`ny fifidianana filoham-pirenena sy solombavambahoaka.
Marihana fa 1 dolara isaky ny biletà tokana ny saram-panotana tany Afrika atsimo. Ankoatra ny tetibolam-panjakana hamatsy amin`ny fanotàna ireo biletà tokana ny saram-pilatsahan-kofidiana takiana amin`ireo kandidà rehetra. Izany no nampiakatra ny saran`ny firotsahan-kofidiana izay nahitana 400% hatramin`ny 800%. 5 tapitrisa ariary ohatra ny saran’ny filatsahan-kofidiana amin`ny fifidianana ben`ny tanàna eto Antananarivo ary manodidina ny 2,5 tapitrisa ho an ìreo kaominina manerana ny nosy, arakaraka ny sokajiny. Fantatra aloha fa mety eto Madagasikara no hanotàna ireo biletà tokana ary rehefa manomboka ny fampiantsoana ny mpifidy avy amin`ny governemanta no ahafahana manao tolo-bidy ho an`ireo orinasa hanatanteraka izany. Mampanahy ihany ny fanatontàna ireo biletà tokana eto amintsika. Matoa natonta tany Afrika Atsimo nandritra ireo fifidianana nifanesy dia mba hisorohana ny mety ho hosoka na ny fisian`ny biletà voamarika mialoha. Noho izany, ho toy ny fifidianana solombavambahoaka ihany koa ve ireo ? Izany hoe, tsy nitovy ny endrika nisehoany manerana ny distrika 119 fa natao arakaraka ny isan`ny mpirotsa-kofidina ao amin`ny distrika. Marihana fa nandritra ireo fifidianana nifanesy dia nisy ireo tranga hafahafa niseho toy ny fahatrarana biletà tokana. Ohatra, nandritra ny fifidianana filoham-pirenena fihodinana faharoa, nisy ireo biletà tokana miisa 400, teny amin` ny birao fandatsaham-bato iray eny Ambohipo, naterin`ireo mpomba ny kandidà iray teny amin`ny foiben-toeran`ny CENI, izay navoaka nialoha ny fotoana. Voalaza fa nisy nanatitra teny amin`ny foiben-toeran`ny mpomba kandidà iray ireo biletà tokana ireo ny alin`ny talata 18 desambra 2018, ka avy hatrany dia naterina teny amin`ny CENI niaraka tamin`ny vadintany ireo antontan-taratasy. Resaka fanontàna hatrany fa araka ny loharanom-baovao voaray dia lany ireo “imprimè” hanaovana kara-panondro-pirenena (CIN) eny amin`ny Trano Printy nasionaly. Nisy anefa tranga kara-panondrom-pirenena hosoka hita maso nandritra ny fotoam-pifidianana ny fisian`ny fandatsaham-bato. Tsy mbola voaresaky ny filankevitry ny minisitra ny momba ny fiantsoana ny mpifidy hiatrika ny fifidianana ben`ny tanàna ka antenaina mba ho fifidianana tena demokratika ny fiatrehana izany.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.