Ben’ny tananan’Imerintsiatosika

« Kisarisarina fahaleovantena no misy eto »


  • Talata 24 Jona 2025

Kisarintsarina Fahaleovantena no mbola misy eto Madagasikara hoy ny Ben’ny

tananan’Imerintsiatosika Parisoa Andriambolanarivo raha naneho ny heviny mifandraika amin’izany izy. Ekena hoy izy fa efa 65 taona nahazoana ny fahaleovantena isika fa ny fahaleovantena ara-politika, ekonomika sy sosialy mbola tsy araka ny tokony ho izy mihitsy. Mbola betsaka ireo olona misakafo ambany foitra hoy izy fa indray mandeha na indroa isan’andro sisa no mba mihinana. Ny fahaleovantena eo amin’ny resaka angovo indray mbola tena manjaka ny delestazy, fandriampahalemana ao anatin’ny fitaintainan-dava mponina. Fototry ny fahaleovantena anefa hoy izy ny fananana herijika sosialy…koa mila mandray andraikitra ny tompon’andraikitra. Mikasika ny fankalazana ny Fetim-pirenena 26 Jona ao anatin’ny kaominina Imerintsiatosika moa dia nambarany fa somary nandray fanapahan-kevitra manokana izy ireo noho ny toe-draharaha misy eto amin’ny firenena. Izay aleha maneno sahona hoy ny Ben’ny tanana Parisoa. Lasa ara-dalana amin’ny Malagasy ny delestazy, ny tsy fandriampahalemana, ny mody amin’ny 08 ora dia misy manendaka ka mitandrina, ny fidangan’ny vidim-piainana isan’andro, ny voapoizina etsy sy eroa…Vavaka ho an’ny firenena araka izany no hisantaran’izy ireo ny fankalazana ny Fetim-pirenena 25 Jona maraina miaraka amin’ny FFKM ao an-toerana, izay hitohy amin’ny rindrakira ara-pilazantsara handraisan’ny ao an-tanana anjara. Ny folakandro kosa dia hisy ny fampihomehezana mahasalama natao ho an’ny rehetra hataon’ireo manan-talenta manokana amin’izany. Ny datin’ny 26 Jonakosa dia hisy ny matso ny tapany maraina arahin’ireo kabary maro samihafa. Ny tarika Telofangady kosa no hamarana ny lanonana manomboka amin’ny 01 ora sy sasany eo ho eo ho fanomezana fahafaham-po ny mponina.
Pati
Legende : Izy no Parisoa Andriambolanarivo, Ben’ny tananan’Imerintsiatosika !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT