Politique

Ben’ny tanànan’i Tsiroanomandidy “Esory ny olona mietraketraka sy hameno paosy”


  • Alatsinainy 20 Febroary 2023

Mitohy ny fanatsikafonana sy fitakiana ataon’ireo olom-boafidy ao Bongolava ny governoram-paritra Atoa Ramiaramanana Joseph.

Tsy mety intsony ny fipetrahana ny fitantanan’ny governora eto amin’ny Faritra Bongola. Mangataka ny Filoha hijery sy hanolo faran’izay haingana io tompon’andraikitra iray io fa mijaly ny olom-boafidy sy olom-boatendry ato amin’ny faritra”, hoy Ben’ny tanàna Tsiroanomandidy Atoa Razafindredohy Mananjara Jaona. Nanam-paniriana izahay mba hampiseho ny herinay, ny vahoaka efa niandry fa eny amin’ny tranompokonolona ny fotoana. Tsy nomena alalana fa manararao-pahefana io governora io. Fa nahoana ianareo nanao hatramin’izay tsy niteny izahay?”, hoy hoy izy ny sabotsy teo.. “Mangataka izahay, esory izy Atoa Filoha fa tsy hahavita na hitantana ny fifidianana amin’ny 09 novambra aza, ary tsy hampandany anao no hahatongavany eto fa hametraka ny politikany sy hanao izay hahafeno ny paosiny", hoy ity ben’ny tanàna voafidy tao amin’ny Renivohitr’I Bongolava. Notsipihiny ihany koa eo anatrehan’ny ambarany fa fanasoketana azy, fa mazava ny fitantanam-bola, misy ny mpanara-maso amin’ny alalan’ny mpanolon-tsaina monisipaly izay “organe délibérante”, ny Fanjakana no mitantana ny vola izay miditra anatin’ny Kaominina, izay any amin’ny tahirimbolam-panjakana. Any no manontany an’izany, tsy ny ben’ny tanàna no mitantana vola, ary misy rafitra manara-maso izany, hoy izy.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT