Politique

Ben’ny tanànan’i Talatamaty « Mangaraharaha ny fiasanay, tohanana hatrany ireo tantsaha »


  • Alakamisy 22 Jona 2023

Ahitana taratra ny fahaiza-mitantanan’ny mpitondra na mpitantana iray ny fahaizany manilika ny trosa tokony aloha ara-potoana sy ny fananany ambim-bava.

Maodely tsara alain-tahaka amin’izany ny kaominina Talatamaty, tarihin’ny Ben’ny tanàna Raharinoasy Elie Dominic. Hatramin’ny volana Janoary taona 2020 nitantanany ity kaominina ity mantsy dia mbola tsy nisy karaman’ny mpiasa tsy voalohany izany tao amin’ny kaominina. Nambarany fa voaloha mialoha mifanohitra amin’ny fotoana hifanomezana mihitsy aza izany ho fitsinjovana ny mpiasa. Miisa 190 isam-bolana anefa ireo mpiasan’ny sy tompon’andraikitra eo anivon’ny kaominina tsy maintsy handoavan-karama ka ny 130 isa mpiasan’ny kaominina, ny 48 kartie mobila, raha 12 kosa ireo sekretera ambiny. Tamin’ny fotoana nidiran’ity Ben’ny tanàna ity nandraisany ny fitantanana moa raha tsiahivina dia efa namantana karaman’ny mpiasa roa volana tsy voaloha ny tenany saingy nahitany vahaolana hatrany izany. Tontosa omaly ny foaram-bokatra fanao isan-taona teo anivon’ity kaominina ity. Tanjona ny hahafahana mamporisika hatrany ireo tantsaha mpamokatra 60% mba hamokatra hatrany hahafahana miady amin’ny fahantrana sy ny tsy fahampian-tsakafo.
Pati
Legende : Mikatsaka ny hampandroso ny faritra hiadidiany hatrany ny Ben’ny tanàna Elie Dominic
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT