Nafana ny toe-draharaha nikotrehana ny fampiatoana ny ben’ny tanànan’i Mahajanga Mokthar Salim Andriantomanga omaly. Efa andro maromaro izay no nandrenesana ny fikatsahana ny fanoloana azy,
ka hametrahana Filohan’ny Delegasionina manokana na PDS. Mpanolon-tsaina miisa 11 amin’ny 19 no nanasonia izany ny 5 aprily teo, ka hirosoana ny fivoriana hampandaniana amin’ny alalan’ny tsangan-tànana ny fampiatoana na fanalana ny ben’ny tanàna amin’ny toerany. Raikitra tokoa ny fivoriana tao amin’ny Lapan’ny tanànan’i Mahajanga omaly, saingy ny nahagaga dia nitsimbadika ny rasa. Mpanolotsaina miisa 11 no nanda ny fampiatoana azy, ary ny 9 kosa no nanaiky izany. Raha dinihina amin’io isa tany am-boalohany 11 nitaky ny hisian’ny fivoriana hampandaniana ny fampiatoana ny ben’ny tanàna iny, dia efa naman’ny tapitra teo ny an’ny ben’ny tanàna, saingy nitsimbadika ny rasa, ka nisy roa namadika izany rehefa dinihina ny raharaha. Raha ny firafitry ny mpanolontsaina monisipaly ao Mahajanga amin’izao fotoana izao kosa, dia miisa 4 ny avy amin’ny TIM, 8 ny HVM , ary 6 ny MAPAR, ary iray Arema. Mifamahofo tanteraka ny raharaha hoe ny HVM ve no nikotrika ny fanonganana noho ny fikasan’ny ben’ny tanàna hampiandrano an’i Andry Rajoelina ny faran’ny volana martsa teo, ary izy rahateo dia voafidy tamin’ny alalan’ny MAPAR. Tsara ihany koa anefa ny mampahatsiahy, fa tsara fifandraisana tamin’ny HVM ny tenany satria i Mahajanga no notsidihin’ny Filoha nasionalin’ny HVM voalohany Rivo Rakotovao vao lasa Filohan’ny antenimierandoholona izy ny volana novambra 2017. Io filohana andrim-panjakana io no nampisalotra samboady azy amin’ny maha ben’ny tanàna tamin’io fitsidihan’i Rivo Rakotovao io. Raha ny fitadidiana, dia tsy isan’ny nanatrika izany ny depioten’i Mahajanga izay lany tamin’ny anaran’ny MAPAR . Tsy hay intsony araka izany hoe manao fitan-droa ve ny ben’ny tanàna tao anatin’ny tantara, ka sady tsy te ho ratsy eo anatrehan’i Andry Rajoelina no tsy te ho tsara fifandraisana amin’ny HVM? Mandeha ny resaka amin’izao fotoana izao, fa i Rivo Rakotovao no nanavotra azy tao anatin’io tetika hanoloana azy ho PDS io, saingy politika io, ka tsy hay izay fahamarinana na fahadisoan’izany. Na inona na inona marina sy diso ao anatin’ny raharaha, dia tsy azo lavina kosa aloha dia nandeha ny tanàna, ary nisy ny endri-pampandrosoana izay heverina fa nisy tohana avy amin’ny fanjakana foibe matoa tsy nisy ny sakantsakana.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.