Misy ambadika politika ! Mandeha ny karazana fanaratsiana ny ben’ny tanànan’i Didy, ao amin’ny distrikan’Ambatondrazaka, faritra Alaotra Mangoro.
Araka ny fanazavana voaray taminy, atoa Radoka Davidson, dia nofinganina mba tsy hirotsaka ben’ny tanàna amin’ny fifidianana ho avy izao ny tenany. Noharatsiana ihany koa izy ary nolazaina aza fa nanodikodim-bolan’ny kaominina. Ireo fotodrafitr’asa nataony aza tsy misy mandeha amin’ny laoniny, hoy ny fanaratsiana sy fankahalana azy tsotra izao. Nolazaina ihany koa, fa niray petsapetsa tamina mpandraharaha iray mpanao asa soa ho nangalatra ny tanin’ny fokonolona izy. Nahitsy fiteny anefa ity ben’ny tanàna ity fa hatramin’ny efatra taona nitantanany ny kaominina Didy, dia maro ireo fotodrafitrasa vitany, toy ny lalana ratsy rehetra ao amin’ny fokontany 13 mandrafitra ny kaominina, ny biraon’ny EPP nohatsaraina, ny fahavitan’ny CEG ao Vohidrazana ary ny Lisea ao Ambohibe sy Fierenana. Amin’izao anefa, dia mbola mangataka ny hilatsahan’io ben’ny tanàna io fanidiminy ny vahoaka ao Didy, hoy hatrany ny fanazavany. Marihana, hoy ingahy ben’ny tanàna, fa sakanana an-kolaka izy ary misy ambadika politika izao fanakanana azy tsy hirotsaka izao.
Sitraka r.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.