Ben’ny tanànan’Antsiranana

Hiakatra PAC rahampitso


  • Alakamisy 16 Mey 2024

Hiakatra eo anivon’ny PAC na «Pole anti-corruption», izany hoe ny fitsarana miady amin’ny kolikoly,

rahampitso zoma, ny ben’ny tanànan’ny kaominina andrenivohitr’Antsiranana, Jean-Luc DJavojozara, raha ny fampitam-baovao voaray omaly. Nialohan’izao moa dia nilaza ity ben’ny tanàna ity fa haheno ny tohiny ny rehetra. Farany ity, hoy izy. Hivoaka eo anatrehan’ny fitsarana isika. Ity ilay aferako ao amin’ny PAC. Hianianako amin-janahary, amin’ny razana ary aminareo vahoakan’Antsiranana fa madio ny tenako ary tena madio. Afera tamin’ny 2017 io ary fanodinkodinana no hiampangana ahy. Tsy nisy ratsy nataoko tamin’izany. Tsy nilamina ny kaonty CUDS ny oktobra 2017. Aiza ary izany vola nahodinkodina izany? Namoaka tombana foana isika ny taona 2016. Madio ny kaonty rehetra. Toy izany koa ny 2017. Halako bika tsy tiako tarehy ve ity? Isika tsy resy tsy miady, hoy hatrany izy.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT