Ben’ny tanànan’Antehiroka

«Tsy hoe manohana fitondràna dia tsy


  • Alatsinainy 03 Novambra 2025

hiteny ny maharary ny kaominina!»

Tontosa ny sabotsy teo ny fitokanana ny tsena vaovao eny amin’ny kaominin’Antehiroka. Isan’ny vinan’ny ben’ny tanàna, hoy ny ben’ny tanàna ao an-toerana, Toky Harilanto Andrianarivelo, ny hanatsara ny tsena rehetra. Nisy, hoy izy, ny fiaraha-miasa amin’ireo orinasa matanjaka eto anivon’ny kaominina nahafahana nanatontosa izany. Misy toeram-pivarotana na «Box» miisa 13 ny fotodrafitrasa vaovao ka ireo mpivarotra efa teo, fon’izany mbola tsena hazo, ihany no niverina naka ny toerana. An-dalana ihany koa amin’izao fotoana izao ny fanamboarana ny lapan’ny tanàna ary mifanome tanana amin’izany koa ireo orinasa lehibe manodidina sy ireo mponina, izay mbola hanentanana ny rehetra hatrany, satria tonga amin’ilay fitenenana hoe «Herikerika maha tondra-drano, biriky mitambatra mahavita trano!» izy ity. Ao ireo manome vy, izay tena raisina am-pitiavana sy avy hatrany dia azo aterina eo anivon’ny kaominina. Ity izany no tsena voalohany hatramin’ny nandraisanay ny toerana maha ben’ny tanàna. Efa misy ihany koa ny tsena nataon’ny ben’ny tanàna teo aloha, izay misy ireo mpivarotra voankazo sy legioma. Efa mandeha koa amin’izao fotoana izao ny tolo-bidy mikasika ny fanorenana izay tsena izay isak’ireo fokontany miisa 9 mandrafitra ny kaominina, hoy hatrany ity ben’ny tanàna ity. Tetsy an-kilany dia nanazava ny olan’ny rano eny Amboarohy, izay nahatonga azy nanatevin-daharana ireo mponina nitokona nanomboka tamin’ny 4 ora maraina tamin’io sabotsy io koa ity ben’ny tanàna ity. Araka ny fanazavàny dia rehefa nidina teny an-toerana izy taorian’ny fitarainan’ireo mponina dia niantso avy hatrany ny tomponandraikitry ny JIRAMA ka nidina teny an-toerana izy ireo, ora iray sasany taorian’ny niantsoana azy. Nangataka, hoy izy, ny mponina ny amin’ny mba hijerena ny fantsona lehibe fivoahan’ny rano. Tafakatra avy eo amin’ny fokontanin’Ambohijanahary mipaka amin’ireo fokontany miisa 5 amin’ny faritra tokony hahatongavan’izany ve ny rano, izany hoe ny faritra avaratra? Nilaza ny tekinisianin’ny JIRAMA fa misy simba ny «suppresseur» na fanodinan-drano eny Ambodimita. Nanaiky ny fandaminana moa ireo mponina, nilaza ny JIRAMA fa efa manosika ny masinina ary miandry ny fiakaran’ny rano. Tsy fanakorontanana mihitsy no entin’ny ben’ny tanàna sy ny mponin’Antehiroka, raha mitaky izany, fa fandaminana aza. Tena korontana no nitranga raha tsy tonga teny an-toerana ny ben’ny tanàna. Tsy manana heritreritra hanohitra ny fitondràna mijoro ny ben’ny tanàna fa hanohana izany azy ny ben’ny tanàna mba ho tombontsoan’ny vahoakan’Antehiroka sy ny vahoaka malagasy. Tsy hoe manohana fitondràna dia tsy hiteny ny maharary ny kaominina kosa nefa! Misokatra amin’ny fiaraha-miasa rehetra ny kaominin’Antehiroka, hoy hatrany ity ben’ny tanàna ity.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Paul Rabary
  • Alarobia 22 Aprily 2026

«Apetraho dien’izao ny rafitra tsy mitanila!»

  • Minisitry ny Fitsarana
  • Alarobia 22 Aprily 2026

« Niray tetika tamin’i Kol.

  • Ny Antsa Rakotobe
  • Talata 21 Aprily 2026

«Fotoana hihainoana ny rehetra izao!»

  • ANTOKO FANOROLAHY-
  • Talata 21 Aprily 2026

FANAVAOZANA TENA IZY Ataovy aloha ny fifidianana

  • MADAGASIKARA (1991 – 2026)
  • Talata 21 Aprily 2026

Misy tsy mety ao matoa mikorontana isaky ny mihetsika

  • Hary Razafindrazaka
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

"Ireo MAPAR anaty fitondrana

Hijery ny tohiny
FTT