Politique

Ben’ny tanànan’Analamanga Tsy misy mahazo maneho hevitra amin’ny anaran’ny fikambanana


  • Sabotsy 28 Aprily 2018

Manoloana ny zava-misy iainan’ny firenena ankehitriny dia nanapa-kevitra ny fikambanan’ireo ben’ny tanàna eto Analamanga,

 

 izay nanatanteraka fivoriambe teny Andoharanofotsy omaly zoma 27 aprily 2018 fa tsy misy mahazo maneho hevitra amin’ny alalan’ny fikambanana araka ny voalazan’ny fitsipi-pifehezan-dry zareo ny rehetra. Raha te-hanao izany izy, hoy Rakotoarisoa Rigobert filohany, dia afaka miteny amin’ny anaran’ny tenany na amin’ny alalan’ny kaominina tarihany. Voaresaka tao anatin’ity fivoriambe natao omaly ity koa ny fampiatoana an’ilay didim-panjakana 2018-162 mikasika ny tombontsoan’ireo ben’ny tanàna sy mpanolotsaina ary mpiasa ao aminy navoakan’ny fanjakana izay tsy mifanaraka amin’ny fanatanterahana ny asa, hoy ireto ben’ny tanàna ireto ka mila hatsaraina nefa dia nangataka ny hamoahana maika ny didim-panjakana mandrava azy io ry zareo. Nialoha ireo dia voadinik’ireo ben’ny tanàna sy ny solontenany niisa 50 avy amin’ny distrika 8 eto amin’ny Faritra Analamanga tao amin’io fivoriambe io koa ny amin’ny tokony  hahazoan’izy ireo amin’izay ny vola homen’ny fanjakana mba ahafahan’ny kaominina tsirairay miroso amin’ny fampandrosoana. Teny am-piandohana koa dia nisy ny dinidini-pitantanana ny kaominina nataon’izy ireo.

 

Ntsoavina Evariste


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

Hijery ny tohiny
FTT