Politique

Ben’ny tanànan’Alasora Nitondra voandalana maro avy any ivelany


  • Alarobia 14 Desambra 2022

Tonga soamantsara eto an-tanindrazana Randriantsoa Jimmy Ben’ny tanànan’Alasora rehefa nivahiny tany La Frantsa nandritra ny andro maromaro nikatsaka izay mahasoa ireo vahoaka eo ambany fiadidiany.

Voandalana maro no nentiny tamin’izany nandritra ny tafa nifanaovany tamin’ny mpanao gazety omaly. Anisan’ireny ny fihaonana tamin’ny Association Zazakely izay manohana sy miara-miasa amin’ny EPP sy ny Fokontany ao Ambodivondava. Taorian’ny nisian’ny valan’aretina COVID 19 tany an-toerana mantsy dia maro tamin’ireo mpikambana no tsy afaka nandrotsaka ny fandraisany anjara nentina nampandehanana ny sakafo ho an’ny mpianatra tao amin’ity EPP iray ity intsony. Nisy araka izany ny fihaonan’ny Ben’ny tanànan’Alasora Randriantsoa Jimmy tamin’ny filohan’ny filan-kevi-pitantanan’ny fikambanana. Tsiahivina moa fa mahatratra 35 Euros isaky ny ankizy isan-taona ny vola omen’ity fikambanana ity entina hamatsiana io sakafon’ny mpianatra ao amin’ny EPP Ambodivondava io. Mpianatra miisa 500 ao amin’ny EPP Amboaroy ihany koa no hahazo sakafo atoandro maimaim-poana tahaka izany. Ankoatra izay dia nihaona tamin’ny tompon’andraikitry ny fikambanana Madagascar Action Solidaire ihany koa ny Ben’ny tanana izay miara-miasa amin’ny Association Malagasy Mifanampy ao Alasora. Hifanome tanana hanamboatra ny EPP ao Mahatsinjo ny roa tonta izay marihina fa ravan’ny rivo-doza farany teo.
Pati
Legende : Randriantsoa Jimmy, Ben’ny tanànan’Alasora
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT