Ben’ny tanàna tsy nahay nanala fako indrindra

Lasa lehiben’ny ben’ny tanàna rehetra


  • Talata 16 Janoary 2024

Ainga sy fototry ny fampandrosoana ny firenena ny fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany,

hoy ny ventin-tenin’ny ben’ny tanànan’Antananarivo farany teo, Naina Andriantsitohaina, omaly. Isaorako indrindra, hoy izy, andriamatoa filohan’ny repoblika, Andry Rajoelina, amin’ny fahatokisana napetrany tamiko indray hitantana sy hanatanteraka ny vinan’asany mahakasika izany. Fantatro loatra ny lanjan’izany andraikitra izany amin’ny naha mpitantana ny tanànan’Antananarivo, renivohitr’i Madagasikara, ahy. Isaorako ihany koa ireo mpiara-miasa amiko rehetra tao amin’ny kaominin’Antananarivo renivohitra. Nanao ny ezaka rehetra isika nandritra izay fotoana izay nentina nanatsara ny tanàna ho an’ny mponina ao aminy. Mbola be no ho vita. Ary eo anilan’Antananarivo foana ny tenako sy ireo vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana rehetra manerana ny nosy, hoy hatrany ny teny fisaorana nataon’ity ben’ny tanàna teo aloha voatendry ho minisitry ny fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany ity. Lasa saina ihany moa ny mpanara-baovao maro nametra-panontaniana hoe inona amin’io fakobe eraky ny tanànan’Antananarivo io izany izao na amin’io mpivarotra amoron-dalana tsy voafehy intsony fa lasa miha mpivarotra an’arabe io mihitsy no tsapan’ity ben’ny tanànan’ny renivohitra ity tao anatin’izay 4 taona nitantanany ny “tanànantsika” izay? Nitsinjara fanariam-pako aza tsy hainy tao anatin’izay 4 taona izay ka mainka ve fa fitsinjaram-pahefana? Nanajary an’Antananarivo aza tsy tontosany araka ny nampanantenainy ka fomba ahoana moa izany no hahaizany hanajary an’i Madagasikara manontolo? Isan’ny neverina fa singa goavana nampandroso ny fitsinjaram-pahefana hatramin’izany ny fampandrosoana kaominina amin’ny alalan’ny fanohanan’ny minisitera voakasik’izany ireo ben’ny tanàna. Ankehitriny moa izany dia ny ben’ny tanàna isan’ny tsy nahay nanala fako indrindra teto Madagasikara no io lasa “patron” na lehiben’ny ben’ny tanàna rehetra eto amin’ny firenena io.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Talata 05 Mey 2026

Hanomboka anio ny

  • PAN-Raharaha Naivo Raholdina
  • Talata 05 Mey 2026

«Mbola tsy azo esorina ny

Hijery ny tohiny
FTT