Politique

Ben’ny tanàna tsy IRK ao Vakinankaratra Hamarana taom-piasana vao nosalorana samboady


  • Talata 30 Aogositra 2022

Izao efa hamarana taom-piasana izao vao nosalorana samboady ny ben'ny tanàna sasany ao amin’ny faritr’I Vakinankaratra.

Tsikaritr'ireo mpanara-baovao, indrindra, avy ao an-toerana fa saika ireo ben'ny tanàna tsy miloko volomboasary, izany hoe tsy nirotsaka tamin'ny anaran'ny IRK, ireto taraiky fisalorana ireto. Isan'izany ny ben'ny tanànan'i Betafo lany tamin'ny anaran'ny antoko politika Tia tanindrazana, Livasoa Randriatahianamalala. Ity farany, hoy ireo mpanara-baovao, dia isan’ny niharan’ny antsojay tao anatin’izay 4 taona izay. Ao anatin’ny fandraisana ny andron’ny tanora moa amin’izao fotoana izao I Antsirabe, izay renivohitry ny faritra, ka heverin’ny mpanara-baovao hatrany fa noho izay antony izay indrindra no nanaovana lanonana kimaimaika hampisalorana samboady ireto ben’ny tanàna tsy mitovy fomba fijery amin’ny fitondrana ireto mba ho haingon-tanana na dia efa hamarana taom-piasana aza.
J. Mirija
Legende: Ny ben’ny tanànan’I Betafo, Livasoa Randriatahianamalala
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT