Politique

Ben’ny tanàna Tambazana moto mba hampandresy an-dRajoelina ?


  • Talata 14 Febroary 2023

Akaiky ny fifidianana, mandeha ny pimaso ataon’ny Filoham-pirenena am-perin’asa Andry Rajoelina, amin’ireo ben’ny tanàna amin’ny alalan’ny fizarana moto hoenti-manatanteraka ny asa.

Taorian’ny tany Marovoay, raikitra ihany koa ny fizarana moto ho an’ireo ben’ny tanàna tany Mahajanga ny faran’ny herinandro teo. Aty amin’ny faran’ny fe-potoam-piasana ny Filoha vao mihazakazaka sy mikoropaka manambitamby ireo ben’ny tanàna, kanefa ny azy ireo ihany koa aza efa hifarana ny fotoam-piasana. Ny ben’ny tanàna no eny ifotony, akaiky ny vahoaka ka ireny ezahina alaina mafy ny fony handresy lahatra ny olona. Izay mety ho kajikajy politika maloto ara-pifidianana ho tambin’ny fanomezana manginy fotsiny. Raha tena fampandrosoana kaominina no tadiavina, ny tetibola hoenti-mampandroso ny vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana no hakarina satria hiviny kely ny 30 tapitrisa Ar isaky isan-taona isaky ny kaominina, izay zara raha 50 miliara Ar mahery kely eo ho an’ny kaominina 1695 raha hatambatra, tsy ampy tetibolan’ny minisitera iray akory. Aiza ho aiza amin’izany ny resaka fitsinjaram-pahefana sy fitsinjaram-pampandrosoana tena izy? Tena fampandrosoana ve no tanjona ao anatin’ny fikofokofohana hanambitamby ireo olom-boafidy eny ifotony amin’izao akaiky fifidianana izao? Toa efa fomba fiady rehefa akaiky fifidianana ity fanambatambazana ben’ny tanàna ity satria raha hiverenenana ny tantara talohan’ny fifidianana 2018, dia nirarakompana ihany koa ny fizarana moto nataon’ny Fanjakana HVM. Mitady ho lasa politikan’ny ala nenina sy tsipaky ny miala aina ?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT