BEN’NY TANANA MANERANA NY NOSY

Handray ny asany manomboka anio Alatsinainy


  • Alatsinainy 20 Janoary 2025

Handray ny asany manomboka anio Alatsinainy 20 Janoary avokoa ireo Ben’ny tanana voafidy hitantana ny tanana

mandritra ny 5 taona ho avy indray manerana an’i Madagasikara. Anio avokoa no hanatanteraka ny famindram-pitantanana eo aminy sy ny lefiny izy ireny, mialohan’ny handraisany ny fahefana feno. Tsiahivina moa fa niatrika fiofanana avokoa izy ireo afak’omaly Sabotsy 18 Janoary, niarahana tamin’ny Ministeran’ny Fitsinjaram-pahefana. Ny Ben’ny tanana mantsy raha ny nambaran’ny Ministra izay nitarika ny fiofanana no tompon’andraikitra voalohany eny ifotony amin’ny resaka fampandrosoana noho izany tsara sy mety raha hampitomboana ny fahalalana hananany. Ankoatra ny resaka lalana dia nomarihiny fa nomena fiofanana momba ny sosialim-bahoaka koa izy ireny, ny lafiny ara-toekarena….Nomarihin’ity Ministra ity manokana moa fa betsaka ireo Ben’ny tanana voaantso eny anivon’ny mpitandro ny filaminana sy ny Fitsarana noho ny antony maro. Tsy mangalatra akory izy ireny hoy izy fa tsy mbola mahafehy tsara ny resaka lalana sy ny fitantanana noho ny hamaroan’ireo rafitra an-tanan-tohatra tsy maintsy arahina ka mendrika ny hoampiana sy hotohanana.
Pati
Legende : Mila fiofanana ny Ben’ny tanana noho izy tompon’andraikitra voalohany amin’ny fampandrosoana eny ifotony !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso làlam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT