Misy manahy sy matahotra antsojay politika
Toy ireo distrika hafa, tafajoro ihany koa ny VFM na Vovonana Fihavaozan’i Madagasikara ao BETAFO. Mitohy hatrany ny ezaka rehetra hafahana manatratra ny tanjona sy mampiray ny Vahoaka malagasy rehetra manerana ny nosy, hoy ny serasera. Ny depioten’i Betafo Fiarovana Lovanirina Celestin no mpandrindra ny VFM Betafo, izay napetraka ny faran’ny heronandro teo. Mazava ho azy fa manohana ny Fitondrana Fanavaozana raha ny fanambarana sy filazana hatramin’izay, ary iny nambaran’ny PRRM Randrianirina Michael ny faran’ny herinandro teo iny, fa tsy afaka ny hanakana olona hanohana azy izy. Zava-dehibe sy manan-danja ho an’ny Fitondrana fanavaozana izany. Andaniny anefa, manomboka mafanafana ihany koa ny politika ao Betafo. Misoko sahady ny tetika sy fikasana hanala ny ben’ny tanàna lanim-bahoaka, ary ny tena manahirana dia mitady hanome vahana ireo ekipan’ny mpitondra teo aloha izy ireo, hoy ny loharanom-baovao sy fitarainana avy any an-toerana. Tsara ny mampahatsiahy, fa depiote lany tamin’ny lokon’ny IRMAR ity lasa mpandrindra ny VFM any Betafo ity, ary misy amin’ireo ben’ny tanàna lany no nifaninana sy naharesy ny kandidan’ny volomboasary no niharan’ny antsojay mivantana na ankolaka, izay betsaka no efa milaza fa efa maheno sy manahy ny mety hisian’ny antsojay. Mila jerena sy alamina ihany sao sanatria vao mainka hanaratsy endrika ny fitondrana !
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.