Politique

Ben’ny tanàna IRK Ambovombe-Androy “Zatra manevateva raiamandreny ny depiote Milavonjy”


  • Alarobia 11 Janoary 2023

Nanao fanambarana omaly ireo ben’ny tanàna lany tamin’ny anaran’ny vondrona politika IRK miisa 16 ao anatin’ireo kaominina miisa 21 mandrafitra ny distrikan’Ambovombe-Androy

fa manamafy ny fiaraha-miasa sy fanohanana hatramin’ny farany ny filoham-pirenena, Andry Rajoelina, izy ireo amin’ny fijerena manokana ny faritr’Androy. Maneho ny mbola fahavononanay hiara-hiasa hatramin’ny farany amin’ny solombavambahoaka sady kestora voalohany, izay mpandrindram-paritra ny antoko TGV aty amin’ny faritra Androy, Henry Jean Michel, izay sady olon’ny fahatokisana, manana fahendrena ary tsy mbola nivadika tamin’ny filoham-pirenena koa izahay, hoy izy ireo. Amin’ny maha raiamandreny anay ato amin’ny kaominina tsirairay izay iadiadianay, mpitazona hazomanga, mpandrindra fiarahamonina aty ifotony dia mahatsapa izahay fa tsy rariny intsony ny fanalambaraka sy ny fanaratsiana ny raiamandreny kestora voalohany izay ataon’ny depiote Milavonjy, izay zatra manevateva raiamandreny toy ny filoham-pirenena, lehiben’Antoko, lehiben’ny faritra, governora sy ireo tomponandraikitra isan-tsokajiny eto amin’ny tany sy ny firenena. Manameloka fatratra izany fihetsika tsy mendrika no sady mivaona tanteraka amin’ny kolontsaina sy fomba amam-panao aty Androy izany izahay ben’ny tanana maro an’isa, hoy hatrany izy ireo.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT