Amin’ny volana oktobra ho avy izao dia hiroso amin’ny fifidianana ben’ny tanàna sy mpanolotsaina ny tanàna isika eto Madagasikara. Inona no tokoa marina no asan’izany mpitantana ny tanàna izany ?
Ny ben’ny tanàna no mitarika ny asan’ny mpanatanteraka any amin’ny kaominina na any amin’ny tanàna. Tsy maintsy miaraka amin’ny filankevitry ny tanàna na ny atao hoe « organe délibérant ». Ny ben’ny tanàna eo no manatontosa ny asa saingy ny didy sy ny fanapahana horaisina dia, voalohany, tsy maintsy arahin’ny fanapahan’io filankevitry ny tanàna io. Faharoa, tsy maintsy arahin’ny solontenam-panjakana izay vao afaka mivoaka io no fampandrosoana ifotony entin’ny Ben’ny tanàna sady miankina ny vola miditra ihany koa. Araka izany, mila olona mahay mampidi-bola, mahay miresaka amin’ny olona isan-karazany ao anatin’ny fanajana ny lalàna. Mila mahay mifehy ny fomba fitantanam-bola sy ny fitantanana raharaham-panjakana. Tsy ampy ny fahafantarana io fitantanana asam-panjakana dia matetika miteraka olana. Ankoatr’izay mila mahay mifidy ny mpiara-miasa aminy ny ben’ny tanàna ahafahana manoro azy ny zavatra tokony ho hita ao amin’ny tanàna izay entiny. Ny vahoaka ihany koa dia tsy tokony hohadinoina. Raha maka ohatra any amin’ireo firenena mandroso dia ny vahoaka madinika mifidy dia mahazo miatrika ireny fivorian’ny filankevitry ny tanàna ireny. Amin’io fotoana io no afaka mangataka ny vahoaka izay filàny. Tsara raha ekena ny hisian’ny vahoaka amin’ireny fivoriana ireny, midika izany fa misokatra ho an’ny sefom-pokontany sy ny vahoaka ny ben’ny tanàna. Raha azon’ny mpanohana ny fitondrana ny toerana maha ben’ny tanàna ka mpanohitra ny filankevitry ny tanàna dia tsy tokony hifamingampingana fa tombontsoan’ny vahoaka no jerena.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.