Mijoro hatry ny ela ary efa niasa an- taonany maro ny fikambanan’ny Ben’ny tanàna avy eto amin’ny distrika valo mandrafitra ny Faritra Analamanga.
Tsy nifidy firehana na loko politika izy ireo raha nanangana an’izany fa izay hisian’ny fampandrosoana eny anivon’ny kaomina tantanan’izy ireo avy no tena anto- pijoroan’ny fikambanana. Noho ny toe-draharaha ankehitriny anefa izay tsy azon’izy ireo odian-tsy hita na koa odiana fanina satria mahakasika ny fiainam-bahoaka mivantana dia nanapa-kevitra izy ireo fa hifamory eto an- dRenivohitra rahampitso zoma maraina. Ireo ka fantatra fa eny amin’ny Tournesole Andoharanofotsy no hifamotoan’izy rehetra. Tena ho dinihan’izy ireo akaiky tokoa , araka ny heno, ny fandehan’ny raharaham-pirenena amin’izao fotoana izao fa hita ho tena fotoanany izao. Tsy tohanan’iza na vatsian’iza vola fa handeha amin’ny herin’ny tenan’izy ireo hamonjy izany fivoriana izany mba tsy ho voabaikon’iza na koa ho baikoin’ izay
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.