Politique

Ben’ny tanàna am-perinasa kandida Tsy afaka manohy ny asany intsony izay eken’ny OVEC


  • Zoma 30 Aogositra 2019

Betsaka ny zavatra tsy fantatry ny rehetra manoloana ity fifidianana Ben’ny tanana izay hotanterahina ny 27 novambra ho avy izao ity.

 

 

 Anisan’ny tena lehibe ary  nampahatsiahivin’ny mpahay lalana Imbiki Herilaza omaly ny fanambarana nataon’ny fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana mifandraika amin’izany, manoloana ny fahataperan’ny fotoam-piasan’ny Ben’ny tanàna manerana ny Nosy.   Ho an’ireo mbola am-perinasa ary mbola hirotsaka ho kandida dia naman’ny manala tena izy ireo raha vantany vao eken’ny OVEC ny taratasy filatsahan-kofidiany. Mandimby azy avy hatrany aorian’izay ny lefiny voalohany hahafahana mampandeha ny raharaha eny anivon’ny kaominina. Ho an’ireo tsy hilatsaka hofidiana intsony kosa dia mbola afaka manohy ny asany hatrany izy ireny mandrapisian’ny vaovao voafidy izay vao miroso amin’ny famindram-pahefana ny roa tonta. Nomarihin’Atoa Imbiki Herilaza moa fa na inona na inona fiovana tamin’ny antontan-taratasy nilaina tamin’ity fifidianana Ben’ny tanàna ity dia efa manana  ny vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana isika na ny CENI  miandraikitra izany fa tsy misy idiran’ny minisiteran’ny atitany intsony. Ho an’ny bileta laharana fahatelo manokana dia nomarihiny fa afaka maka izany eny amin’ny fitsarana avokoa ny kandida rehetra satria zony feno izany.

 

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

Hijery ny tohiny
FTT