Benjamin Andriamitantsoa

> Tena hitondra ny feom-bahoaka marina


  • Sabotsy 30 Novambra 2013

«Tsy afa-misaraka ny fandaniana ho filoham-pirenena an’ny Dr Robinson Jean Louis sy ny fandaniana ho depiote ny kandida atolotry ny ankolafy Ravalomanana sy ny zanak’i Dada».

Nisongadina io nandritra ny fanombohan’ny fampielezan-kevitra omaly ho an’ny ankolafy Ravalomanana sy ny Zanak’i Dada Distrikan’Avaradrano. Avy hatrany dia ny Kaominina Ambohimangakely no naleha ka nitafa tamin’ny olona teny amin’ny Fokontany ny kandida mitarika ny lisitra ankolafy Ravalomanana, laharana faha-4 amin’ny bileta tokana dia i Benjamin Andriamitantsoa sy Gerry Randriambolaina toy ny tao Ankandrina, Ambanivato. Nanome toky ireo kandida depiote natolotr’i Dada Ravalomanana ireo fa tena hitondra ny feom-bahoaka marina rehefa lany. Voamarika fa leo fahantrana ny vahoakan’Avaradrano ka miandrandra fampandrosoana hoentin’ny Dr Robinson Jean Louis sy Benjamin ary Gerry, ny Kaominin’i Sab/Nam no hotsidihan’izy ireo anio sabotsy.

Rina Rabemananjara

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

Hijery ny tohiny
FTT