Benjamin Andriamitantsoa

> Kandida depiote nametrahan’i Dada fitokisana eny Avaradrano


  • Alarobia 27 Novambra 2013

Tontosa omaly ny fanofanana ny mpanentana eny anivon’ny Fokontany ho an’ny ankolafy Ravalomanana sy ny Zanak’i Dada, Distrikan’Avaradrano. Roa isam-pokontany ireo mpanentana nomena fiofanana izay miparitaka amin’ny Kaominina miisa 14

Hitety tokantrano isam-pokontany ireo mpanentana ireo rehefa tonga ny vanim-potoanan’ny fampielezan-kevitra. Hiserasera  amin’ny vahoaka izy ireo ka handresy lahatra. Zava-dehibe izany andraikitra izany ka izay no anton’ny fanofanana. Tsiahivina fa hampandany ny kandida Robinson Jean Louis ny Ankolafy Ravalomanana sy ny Zanak’i Dada Distrikan’Avaradrano eo amin ny fifidianana filoham-pirenena fihodinana faha-2 sady hampandany tsy misy fepetra koa ny kandida Depiote Benjamin Andriamitantsoa, izay olona manana ny maha izy ary nametrahan’i Dada Ravalomanana fitokisana. Ho rakotry ny delege avy amin ny ankolafy Ravalomanana koa ny birao fandatsaham-bato rehetra ato amin ny Distrikan’Avaradrano ka homena fiofanana koa izy ireo mandritra ny fampielezan-kevitra. Hiaro hatramin’ny farany ny safidim-bahoaka ny ankolafy Ravalomanana sy ny Zanak’i Dada Avaradrano ary tsy hanaiky izay mety ho endrika halatra amin’io fifidianana amin’ny 20 desambra io. Nohamafisina nandritra ny fanofanana fa hisy rahampitso alakamisy 28 novambra 2013 ny fanompoam-pivavahana iraisam-pinoana etsy amin ny FJKM Ankadikely ho fangataham-pitahiana ho an’ny firenena sy ho an’ny kandida depioten’ny Ankolafy Ravalomanana sy ny kandida filoham-pirenena Robinson Jean Louis.

Rina R.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

Hijery ny tohiny
FTT