Niala tamin’ny fahanginany ka naneho ny heviny mikasika ny toe-draharaham-pirenena tao Ambositra ny zoma 07 oktobra lasa teo ny minisitry ny vola sy ny tetibola teo aloha, Benja Razafimahaleo.
Nambarany fa tsy hanova velively ny famahana ny krizy politika eto amin’ny firenena ny fangatahana fankatoavana iraisam-pirenena ataon’ny mpitondra ankehitriny. Tsy hisy fankatoavana ho azo ao anatin’ny fotoana fohy izany hoy i Benja Razafimahaleo. Raha amin’ity volana oktobra ity no azo ny fankatoavana, amin’ny volana janoary 2013 vao hisy vola mirotsaka ao amin’ny kitapom-bolam-panjakana. Nokianin’ity Filoha lefitry ny antoko Leader Fanilo ity ny toetran’ny mpanao politika Malagasy tsy manana fahaiza-manao ka manaiky rebireben’ny SADC izay firenena mifanolo-bodirindrina amin’i Madagasikara. Nangina ny antoko Leader Fanilo teo aloha teo satria tsy te hiray petsapetsa amin’ireo mpanao politika mpitady toerana sy mpiady lava ary mifanala-baraka, hoy ihany i Benja Razafimahaleo tao Ambositra.
Nambarany fa tsy mahasoa ny tanindrazana io fankatoavana andrandrain’ny mpitondra ankehitriny io ka nentaniny ny Malagasy mba hanohy ny asa fivelomana andavanandro. Tsy mahavaha olana misy eto amin’ny firenena iny tondrozotra nosoniavina farany teo iny fa miendrika ady seza sy miteraka tsy fifampitokisana, hoy ihany i Benja Razafimahaleo, hany ka naleon’ny mpikatroka ao amin’ny antoko Leader Fanilo tsy niloa-bava. Tokony hirosoana haingana ny fifididinana eken’ny rehetra dia azo mora ny fankatoavana, hoy ny tenany fa tsy tokony ho variana amin’ny zavatra tsy mahasoa ny vahoaka ny mpitondra toy ny fanamboarana Hopitaly sy kianja manara-penitra ataon’ny mpitondra io. Izay efa misy no tokony hohatsaraina, hoy izy. Mikasika izay ho Praiminisitry ny marimaritra iraisana hotendrena manaraka eo dia olona mitovy fomba fiasa amin’Itompokolahy Razanamasy Guy Willy no tsara mitantana ny governemanta satria tsy manam-pikasana hilatsaka hofidina amin’ireo fifidianana rehetra.
Rado
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.