Benja Andriamihanta

> Mambran’ny CENI-T tsy niatrika ny famoahana ny voka-pifidianana


  • Sabotsy 04 Janoary 2014

Nanamarika ny maro fa tsy tazana teny Alarobia avokoa ireo mpikambana ao amin’ny Vaomieram-pirenena misahana ny fifidianana mandritra ny tetezamita na CENI-T nandritra ny famoahan’ity andrim-panjakana voatondron’ny lalŕna hamoaka ny voka-pifidianana vonjimaika ity.

Efa fomba amam-panao moa ny mamaky anaran’ny mpikambana rehetra amin’ny fanapahan-kevitry ny andrim-panjakana toy ireny famoahana voka-pifidianana ireny. Niharihary anefa fa anisan’ny tsy tazana tao ny «Commissaire électoral national» Andriamihanta Fanomezantsoa Benjamin, izay solontenan’ny ankolafy Ravalomanana ao. Araka ny fantatra dia tsy nanao sonia iny fanapahana iny ihany koa ny tenany. Mety manana ny antony izy noho izany, fa ny azo antoka aloha matoa izy tsy tonga nefa tsy nandefa taratasy fialan-tsiny dia ao raha !  Etsy ankilan’izay, samy nisahana Faritra iray isanisany ireo «Commissaire électoral national» mambran’ny CENI-T, eny hatramin’ny filohany, izay nisahana ny Faritra Analamanga. Manoloana ireo olana, toy ny hosoka sy hala-bato, niseho lany tany amin’ireo Distrika samihafa dia mipetraka ihany ny fanontaniana hoe nahavita ny andraikiny marina ve ireny olon’ny CENI-T miainga amin’ny mpitarika, ireo «Commissaire électoral national» sy ireo mambra hatrany amin’ny kaominina, Distrika ary Faritra ireny sa nanao tandrevaka mba tsy hilazana fa nitsikombakomba ratsy ?

JD

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

Hijery ny tohiny
FTT