Ben'ny tanànan'ANKADIMANGA

" Rano fisotro madio sy fambolena no laharampahamehana"


  • Zoma 30 Aogositra 2024

Mbola hilatsaka hofidiana ho Ben’ny tananan’ny kaominina ambanivohitr’Ankadimanga, distrikan’Atsimondrano Razafinanja Befandro.

Raha araka ny fanazavany mantsy dia ny 75%-n’ny asa fampandrosoana nampanantenainy ny vahoaka nandritra ny fotoam-piasany voalohany no vita hatreto. Antony mbola hilatsahany hirotsaka hofidiana izany hamitany ireo asa 25% ambiny. Anisan’ny asa goavana efa vitany tao Ankadimanga ohatra ny famatsiana rano fisotro madio ny mponina. Ny fanaovana vaindohan-draharaha ny resaka fambolena. Afaka nanetsa hatrany ny mponina raha araka ny fanazavany ary tsara hatrany ny voka-bary. Toraka izany koa ny vokatra ovy izay nahafahan’ity kaominina ity namatsy ireo kaominina namany hafa manodidina. Tsy latsa-danja tamin’ireo ny lafiny fampianarana izay nahavitan’ity Ben’ny tanana iray ity nanangana CEG vaovao izay ho afaka handray mpianatra manomboka amin’ity taom-pianarana vaovao 2024-2025 ity raha hikambanany amin’ireo kaominina hafa namana kosa ny lisea. Farany izay sady goavana indrindra dia ny fahavitan’ny paositry ny zandarimariam-pirenena ao Ankadimanga izay ho afaka hiahy mivantana ny mponina amin’ny fiarovana azy ireo sy ny fananany. Anisan’ny asa mbola hovitain’ity Ben’ny tanana aorian’ny fahalaniany araka izany ny fanamboarana ilay lalana mirefy 1300 m hahafahan’ireo tantsaha mpamokatra mivezivezy mamoaka ny vokany. Toraka izany koa ny mba hahafahan’ny olon-tsotra miaina an-kahalalana indrindra fa rehefa fotoam-pahavaratra.
Pati
Legende : Razafinanja Befandro, Ben’ny tanànan’ny kaominina Ankadimanga Atsimondrano .
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso làlam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT