Ben'ny tanàna IRMAR nangala-bato

Tokony miala ivelan'izao


  • Alatsinainy 10 Novambra 2025

fitondrana izao, hoy ny Pr Joseph

Miha mizotra mankany amin 'ny fanovana ny rafitra vaovaon 'ny Repoblika isika eto Madagasikara ankehitriny, izay tsikaritra fa tena mihazakazaka ary tena manao ny ezaka ny amin ' izany izao fitondrana izay tarihan ' ny filoham - panjakana ny Kolonely Michael Randrianirina izao hoy ny Pr Joseph. Etsy an-danin'izay anefa hoy izy dia mbola misy ihany ireo izay mikiry biby tsy manaiky hiala eo amin 'ny toerany toy ireo Ben 'ny Tanàna IRMAR, izay niaraha - nahalala fa ny akamaroan ' izy ireny dia tsy voafidim-bahoaka ara-dalàna fa lany tamin 'ny alalan 'ny hala - bato. Raha tiantsika hanjaka tanteraka eto Madagasikara ny fahazavana hanjakan 'ny fahamarinana sy ny fahamasinana, dia meteza isika hanaraka ny fandaminana sy ny rafitra vaovao izay tiana hapetraka eto ry Ben 'ny Tanâna IRMAR sy izay rehetra mbola mialokaloka any anaty Minisitera sy sehatra samihafa any.
Mankahery ny Filoham-panjakana sy ireo mpiara-miasa aminy rehetra ny Pr Joseph manoloana izany mba hahatontosa an-tsakany sy an-davany izany fanovana lehibe tiana hatao eto amin 'ny firenentsika izany, ary tsy hanaiky lembenana ny amin 'ny fanesorana ireo izay mbola mifikitra amin 'ny sezany, mba hisian 'ny fanovana marina tokoa. Fa hoy ny tenin ' i Jesosy araka izay voasoratra ao amin 'ny Matio : 9 - 17 manao hoe : Ary tsy misy manisy divay vaovao ao anaty siny hoditra tonta ; raha izany, dia ho triatra ny siny hoditra, ka ho raraka ny divay, sady ho simba ny siny hoditra ; fa ny siny hoditra vaovao no asian 'ny olona divay vaovao, dia miara - maharitra izy roroa. Ary aza adinotsika tompoko, fa mba hahatonga ny vokatra ho tsara, dia tsy maintsy diovina aloha ny tanimbary mba hialan 'ny tsiparifary.
Pati
Légende : Ny Pr Joseph
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Paul Rabary
  • Alarobia 22 Aprily 2026

«Apetraho dien’izao ny rafitra tsy mitanila!»

  • Minisitry ny Fitsarana
  • Alarobia 22 Aprily 2026

« Niray tetika tamin’i Kol.

  • Ny Antsa Rakotobe
  • Talata 21 Aprily 2026

«Fotoana hihainoana ny rehetra izao!»

  • ANTOKO FANOROLAHY-
  • Talata 21 Aprily 2026

FANAVAOZANA TENA IZY Ataovy aloha ny fifidianana

  • MADAGASIKARA (1991 – 2026)
  • Talata 21 Aprily 2026

Misy tsy mety ao matoa mikorontana isaky ny mihetsika

  • Hary Razafindrazaka
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

"Ireo MAPAR anaty fitondrana

Hijery ny tohiny
FTT