Bemidin’ny mpitondra tany Toamasina

Sao mba fandanindaniam-poana sy fanesoana vahoaka ?


  • Alatsinainy 09 Septambra 2024

Mipoapoaka hatrany ny lanonam-panjakana fametrahana ireo olom-boafidy vao lany teo.

Ny fametrahana samboadin'ireo solombavambahoaka miisa 22 voafidy tao amin’ny Faritanin'Toamasina indray no nirosoana ny faran’ny herinandro teo, tao amin’ny toeram-pilanonan’ilay antsoina hoe Miami ao an-toerana. Tonga nanatrika sy nanome voninahitra ary nametraka ny samboady ny Filohan'ny Antenimieran-mpirenena Tokely Justin ny Filoha lefitry ny Antenimierandoholona miandraikitra ny faritan'Antananarivo sy faritra Atsimo, ny Filoha lefitry ny Antenimieran-mpirenena miandraikitra ny faritan'Antananarivo, ny mpikambana ao amin'ny governemanta nahitana ny Minisitry ny Fiarovam-pirenena, Ny Minisitry ny Atitany, Ny Minisitry ny Asa Vaventy, Ny Minisitry ny Mponina sy ny Firaisankina, ny Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina. Nanambaran’ny Minisitry ny asa vaventy izay Governoran’Atsinanana teo aloha Atoa Rafidison Richard Théodore izay nisolo tena ny governemanta, fa vonona hiara hiasa amin'ny solombavambahoaka ny mpanatanteraka mba hanatanteraka ny vinan'ny Filoham-pirenena hampandrosoana ny disitrika tsirairay avy. "Ho tokotelo mahamasa mahandro ny Governemanta, ny Solom-bavambahoaka ary ny vahoaka", hoy izy. Nilaza kosa ny Filohan’ny Antenimierampirenena Atoa Tokely Justin fa fa tsy tamin'ny fifidianana solombavambahoaka ihany no mahatsiaro ny vahoaka ny depiote, ary manome toky fa tsy hanadino anareo mandrapaha tapitra ny fotoam-piasanay. Vonona izahay, hoy izy, hanantanteraka ny asan'ny fampandrosoana amin'ny alalan'ny fanatanterahana ny asany dia ny fandanianana ny lalàna, ny fitondrana ny hetahetan'ny vahoaka amin'ny mpanatanteraka ary ny fanaovana tatitra amin'ny vahoaka, ary ny fanaovana tetik'asa amin'ny CIAD". Asa tena izay ve no sary mitranga ankehitriny sa mitsikombakomba amin’ny tsy fahombiazan’ny governemanta ny depiote maro an’isa ? Firifiry no sahy nanapotsitra ny tsy mety sy manaitra imasom-bahoaka ny mpanatanteraka fa tsy izy intsony izao ? Mipoapoaka ny lanonana fametrahana amin’ny seza sy fahefana, ary handaniana volam-panjakana tsy toko tsy forohana, miara-mirohotra ny olom-panjakana ambony samihafa,… Ny vahoaka kosa mifafa ny kihony amin’ny vidim-piainana midangana, làlana potika, tsy fandriampahalemana manjaka, tsy fananan’asa mitombo,…
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso làlam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT