Hasomparana sa fanodinkodinana safidim-bahoaka ? Nahitana vata fandatsaham-bato feno biletam-pifidianana tany anaty bozaka tany amin’ny tanàna atao hoe Bealohy, 10km avaratry ny tanànan’i Mahajanga ny fiandohan’ny herinandro teo. Olona handeha ho any an-tsaha, sendra nandalo no nahatsikaritra ka nampilaza ny fisian’io zavatra hafahafa io. Gaga ny olona ary maro no tezitra ka velom-panontaniana hoe, dia toy izao ve no anaovana ny safidim-bahoaka ? Tsy misy hasiny ! Ny mampalahelo, araka ny loharanom-baovao, dia nataon’ny sasany solona safosafo ireo biletan-datsa-bato, ny hafa nanao azy fandrehetana afo.
JD
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.