Politique

Barson Rakotomanga “Mampihomehy foana ny didim-pitondrana avoakan’ilay minisitera”


  • Alarobia 23 Novambra 2022

Efa iarahantsika mahalala ny antony nanaovan’ny Randrana sendikaly hetsika maro fa dia saika niompana tamin’io olana ao amin’ny CNaPSio, hoy ny sekretera jeneralin’ny Randrana sendikaly, Barson Rakotomanga.

Ny tale jeneraly, hoy izy, tamin’ny andron’i Raoul, nangalatra. Mbola voarohirohy amina resaka fanodinkodinam-bola koa avy eo ny nandimby azy. Ny vola nalefa tany amin’ny Air Austral, Air Madagascar lasa Madagascar Airlines, mbola teo koa ny hoe nalefa tany amin’ny SMGD an’ny CUA, nozarazaraina tamina fikambanana manao asa soa. Tsy azo ekena izany satria volan’ny mpiasa ary izay no nahatonga anay ho tonga hatreny amin’ny BIANCO. Tapitra ny 30 septambra teo moa ny fifidianana solontenan’ny mpiasa eo anivon’ny CNaPs. Ireo sendika mahasolo tena ny mpiasa no afaka mandatsaka solontena ao. Manana delegen’ny mpiasa 10% eto Madagasikara. Talohan’io 30 septambra io nefa dia efa nanolo filankevim-pitantanana ry zareo. Ireo sendika na sehatra voakasika anefa no nanolo ilay olona, indrindra, nanoloana ireny resaka fanodinkodinam-bola ireny. Tokony hivoaka izao ny fisoloan-tenan’ny mpiasa ao saingy toa arirarira? Tonga dia nasiana soratra indray ao anatin’ilay didim-pitondrana hoe 3 taona ny fe-potoam-piasan’ireo olona tonga dia notendren-drizareo ireo. Mbola misy fahabangana koa anefa ireo mpikambana voatendry ireo. Ny sendika FISEMARE izao tsy mbola nanendry ny solontenany satria, hono, hoe mbola mila mandamina ny raharaha anatin-drizareo. Inona moa no idiran’ny fanjakana amin’ny raharaha anatin’ny sendika? Inona indray no kononkononina ao anatin’ny fitantanana io CNaPs io? Sa ve hoe esorina ny eo mba hidiranay indray hihinananay koa? Efa manana olana ara-pitantanana ny CNaPs ka aoka ho rafitra ara-dalana tsara no apetraka ao mba tsy hifanilika indray avy eo rehefa misy sakoroka. Tsy mbola nisy an’izany karama farany ambany manokana izany hatramin’izay teto Madagasikara fa izao misy. Io koa fa misy hoe mpikamban’ny filankevim-pitantanana tsy feno. Inona no asa mendrika ho hita amin’izao. Miisa 4 no fototr’izany asa mendrika izany dia ny fanajana lalana, fampiharana lalana na eto an-toerana io na iraisampirenena, famoronana asa, fiahiana ny sosialy. Tsy misy tanteraka eto izany nefa dia mijery fotsiny ny fanjakana foibe. Tsy mahafehy minisitera ve ny fanjakana foibe, hoy hatrany ny tenany, fa dia mampihomehy, araka ny fitenin’ny tanora foana nefa ny didim-pitondrana avoakan’ilay minisitera ?
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry Dieudonné Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

Hijery ny tohiny
FTT