BAOMBA LAKRIMOZENA TENY ITAOSY

Tonga hatrany anaty tanana, zaza iray no sempotra


  • Zoma 20 Oktobra 2023

Nahatsiaro nangirifiry ireo mponin’Andranonahoatra Itaosy omaly vokatry ny nafitsoky ny mpitandro ny filaminana.

Raha diabe tamim-pilaminana tsy nisy korontana mitaky ny hisian’ny tany tan-dalana sy ny fifidianana eken’ny daholobe mantsy no nandrandrain’ireo niakanjo fotsy mpomba ny kandida miisa 11 dia nifanohitra tamin’izay ny zava-nitranga. Baoma lakrimozena tsy nifankahitana no nandrarafan’ireo mpitandro ny filaminana ireo mpanao diabe tamim-pilaminana izay tonga hatrany anaty tanana mihitsy ny heriny. Marobe tamin’ireo ankizikely nilalao tany an-tanana no voatery nosasana rano mangatsiaka araka izany ny lohany namonoana ny herin’ilay fofona mahery vaika tokoa. Nisy ihany koa ny zaza iray voalaza fa sempotra teny an-dalana izay nampitaraina fatratra ny Rainy tokoa. Tsy latsa-danja amin’izany ireo vehivavy sasany mpanohana ny kandida miisa 11 izay nisy naratra ihany koa ny tongony sy ny faritra tamin’ny vatany. Nilaza moa ireo mponin’Itaosy fa tsy maintsy mitohy ny tolona ho fanavotam-pirenena. Tsy ho amin’izao fiainana izao ihany hoy izy ireo fa ny ho avin’ny taranaka faramandimby mihitsy.
Pati Legende : Tao ny sempotra dia tao koa ny naratra !

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

  • PM Mamitiana Rajaonarison
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Vahaolana ara-tsosialy maro no

  • FANAVAOZANA NY REPOBLIKA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Politika mampandroso no

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

Hijery ny tohiny
FTT