Politique

Baolina politika Kandida 3 izao no niala an-daharana


  • Zoma 08 Septambra 2023

Raha toa ka nisy ireo nisafidy mihitsy ny tsy hiakatra an-kianja mivantana amin’ny fifidianana Filoham-pirenena tahaka an’Atoa Laza Razafiarison, Pasitera Mailhol,…

dia miisa 3 hatry ny omaly ireo nanambara ny fisintonany ny firotsahan-kofidiana. Efa nanao izany Rtoa Masy Goulamaly fotoana fohy taorian’ny fahataperan’ny fe-potoana, ary niampy roa io omaly satria niala an-daharana Rtoa Rasolofonoroniaina Julia Mickaëlle izay sy ampy ny dosie. Nisintona ny azy ihany koa Atoa James Rasoamaka avy amin'ny Solidarité des jeunes Intellectuels pour l'Avenir de Madagascar (SJIAM) no kandida fahatelo tonga teny amin'ny HCC omaly 7 septambra 2023, nanatitra ny taratasy manambara ny faniriany hisintona ny firotsahan-kofidiny ho filoham-pirenena. Nambaran'i James Rasoamaka fa na tsy handray anjara amin'ny fifidianana filoham-pirenena aza izy ireo dia vonona amin'ny fiatrehana ny fifidianana eny ifotony, toy ny solombavambahoaka sy ben'ny tanàna. Ny HCC no tompon'ny teny farany amin'ny fanapahan-kevitra momba izany, araka izay voalazan'ny lalàna mifehy ny fifidianana, fa raha ny hita hatrizay aloha dia raha vao nahafeno fepetra dia tafiditra anaty lisitry ny kandida sy anaty bileta tokana, fa raha tsy feno moa ny dosie tonga dia tsy voaray ho azy. Tsikaritra ho efa mandeha ihany koa ny ankamely raha tarafina fihetsiky ny fitondrana!
Nangonin’I Toky R


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT