Politique

Baleke Mbete-Kgositsile “Mila henoina ny hevitry ny rehetra raha te handroso”


  • Alakamisy 22 Aogositra 2019

Natokana ho iray volan’ny vehivavy ny volana aogositra any Afrika Atsimo ka hisian’ny hetsika samihafa anehoana fa manana anjara toerana lehibe amin’ny fiarahamonina sy ny firenena ny vehivavy.

 

Ho an’ny eto Madagasikara, dia nasain’ny Masoivohon’i Afrika Atsimo ka tonga eto Rtoa Baleke Mbete-Kgositsile filohan’ny antenimieram-pirenena Afrikanina Tatsimo teo aloha, izay nandalo teny amin’ny antenimieram-pirenena Malagasy eny nizara traikefa tamin’ireo vehivavy parlemantera miisa 27 eny Tsimbazaza omaly. Izy moa no vehivavy voalohany nitana ny toerana filohan’ny antenimieram-pirenena tao Afrika Atsimo nandritra ny 5 taona mahery kely nanomboka ny taona 2014 taorian’ny naha filohan’ny Repoblika lefitra azy (mitovy laharana amin’ny praiminisitra aty amintsika) teo anelanelan’ny septambra 2008-mey 2009. Nampahomby ny Afrikanina Tatsimo, hoy izy, ny fanajana ny tsy fitoviana ara-kevitra, ara-kolontsaina, ara-politika,… ka mila henoina ny hevitry ny rehetra, indrindra ny vehivavy rehefa hanapa-kevitra. Tao amin’ny antenimieram-pirenena notantaniny, dia napirisihin’ny filoham-pirenena mihitsy mba ho ny tsy mitovy hevitra ara-politika no atao filoha lefitra. Tsy nisorona izy nilaza fa poizina ny politika, ka ny zava-dehibe dia fahaizana manavaka ny tsara sy ny ratsy, indrindra ny fahaizana mijery ny tombontsoa ho an’ny daholobe. Momba ny tombontsoan’ny parlemantera, toy ny trano, tambin-karama,… dia samy manana ny rafitra mipetraka ny firenena fa mila faritana mialoha. Tokony hifanentana amin’ny toekarem-pirenena anefa ny famaritana ireny tombontsoa samihafa ireny, raha ny nambarany.

 

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

Hijery ny tohiny
FTT