Politique

Balarora sy fampanantenana poakaty Tokony hakana lesona ny nafitsok’i Rajoelina


  • Zoma 15 Jolay 2022

Fotoana hakana lesona ara-politika ny zava-misy ankehitriny sy ny tany aloha. Raha ny toetra sy ny fomba fiadin’ny ankamaroan’ny politisianina, efa tànana zatra mitsotra ny fampanantenana poakaty hahazoana vatom-pifidianana,

fa ny vahoaka no mila mahay mandinika. Mila mahay mijery sy mamakafaka ny vinam-piarahamonina aroson’ny kandida tsirairay. Io no isan’ny amidy amin’ny propangady mba hahazoana ny fon’ny olona, ankoatra ny fizarazaran-javatra ataon’ny kandida mpanam-bola, ny famalifaliana amin’ny artista,.... Saika tsara avokoa ny vina amin’ny ankampobeny. Mila fantarina tsara ilay kandida, ny zavatra efa nataony sy vitany, ny fomba fiasany, ny toetrany, ny paikady hoentiny manatanteraka izany,... Lesona ho an’ny Malagasy ny zava-misy ankehitriny amin’ny afitsoky ny fitondrana Rajoelina io. Ohatra iray mivaingana ny zava-miseho any amin’ny faritra mpamokatra lavanila. Raha hiverenana ny tantara, nampanatenain-dRajoelina tamin’ny propagandy 2018 fa hampiakariny avo telo heny vidin’ny lavanila. “Tsy avelako hogejain’olom-bitsy intsony ianareo. Ampy izay ny fanararaotam-pahefana eo amin’ny lavanila…”, hoy izy. Nampanatenaina hatramin’ny laboratoara momba ny lavanila. Vokany, ny Faritra SAVA no nahazoan’ny kandida Rajoelina isan-jato ambony indrindra tamin’ny fifidianana fihodinana faharoa ny taona 2018 satria nahatratra 86,83%. Mbola faritra mpamokatra lavanila ihany koa ny faharoa dia i Analanjirofo, izay nahatratra 85,9%. Tsy araka ny fampanantenana anefa ny vokatra. 600 dolara na 2,3 tapitrisa Ar ny namarotantsika lavanila maina tamin’ny tsena iraisam-pirenena ny taona 2018, raha toa ka 200 000Ar teo kosa ny lena. Ankehitriny, io 75 000Ar io ny lena, ary 250dolara kosa ny fanondranana any ivelany. Fisondrotana avo telo heny nampanantenaina, saingy fitotonganana 100% mahery no miseho. Raha izao fandehany izao, mety ny 6% amin’ny 86% tamin’ny fifidianana no ho azo amin’ny 2023. Sa mbola hahomby ny fampanantenana poakaty ?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT