BABA James, kandida ao Mahabo

"Efa nanampy ny vahoaka, hiady ho azy"


  • Talata 09 Aprily 2024

Tafapetraka ny Asabotsy teo ny fiantsahan-kofidian'i Baba James ho solombavambahoakan'ny distrikan'i Mahabo ao amin’ny faritra Menabe.

Izy no kandida voalohany tonga nametraka ny firotsahany ny faha 06 Aprily tao amin'ny distrikan'i Mahabo. Kandida tsy miankina amin’ny antoko izy amin'ity fifidianana hatao ny 29 May izao. Naneho fa vonona ny hitondra ny anjara birikiny ho fampandrosona an'izany distrika izany ny tenany. Nilaza fa hitondra ny tamberin'andraikitra ho valim-babena ho an'ny vahoaka. Zanak'i Mahabo i Baba James ary mahatsapa ho manana adidy ho fampandrosoana ny tany niaviany. Nambarany fa 13 taona no nandratoany fianarana tany ivelany ary fotoana nahitany izany fivoarana izany, rehefa tafaverina teto anefa izy dia nalahelo fa toa ratsy kokoa noho ny tamin’izany no novantaniny ka nadrisika azy handray andraikitra. Tanora marobe no efa nisitraka tolo-tanana teo amin'ny sehatry ny fambolena, fiompiana, teo ihany koa ireo asa sosialy marobe izay nokarakarain'i Baba James ho an'ireo kaominina ao anatin'izany distrikan'i Mahabo izany, hoy ny fanazavana. Noho izany, vonona ny hiady ary hitondra ny feon'ireo vahoaka eo anivon'ny mpanatanteraka ny tenany raha toa ka tonga soa aman-tsara eo anivon'ny antenimerampirenena. Vahoaka, tanora marobe no tonga nanontrona an'i Baba James nandritra ny fametrahany ny antotantaratasy teny amin’ny OVEC Mahabo. Nilaza ho tsy manana fahavalo na iza na iza ny tenany fa ny tombotsoa ho fampandrosona ny distrikan'i Mahabo no zava-dehibe.
Nangonin'i Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Talata 05 Mey 2026

Hanomboka anio ny

  • PAN-Raharaha Naivo Raholdina
  • Talata 05 Mey 2026

«Mbola tsy azo esorina ny

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

Hijery ny tohiny
FTT