Avotra ho an’ny Firenena

> Hanohitra ny fitondrana hijoro eo


  • Alarobia 13 Novambra 2013

Manaiky ny fifidianana sy ny vokany tamin’ny fihodinana voalohany ny antoko Avotra ho an’ny Firenena.

Nolazain’ireo mpikambana kosa anefa fa tsy manaiky ny rafitra hitsangana eo ry zareo fa hijoro hanohitra izany noho ny tsy fanarahan-dalàna sy fanjanahana amin’ny endriny vaovao. “Tsy hiandry ny valim-pifidianana fihodinana faharoa ny fanoherana fa manomboka izao amin’ny alalan’ny tsy fanohanana kandida”, hoy i Laza Razafiarison, kandidan’ny Avotra ho an’ny Firenena izay nibata 0,88%, araka ny fanehoan-kevitry ny vahoaka mivantana tamin’iny fihodinana voalohany iny. Nanamarika kosa ity farany fa rafitra no toheriny fa tsy olona akory. Hanohy hatrany ny fampahafantarana ny fandaharanasany ny Avotra ho an’ny Firenena izay saingy tsy handray anjara amin’ny fifidianana solombavambahoaka.

Yves

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

Hijery ny tohiny
FTT