Nihoapampana ny hosoka niseho nandritra sy taorian’ny latsa-bato tamin’ny fifidianana filoham-pirenena sy solombavambahoaka notanterahina niaraka tamin’ny 20 desambra lasa teo tany amin’ny faritra atsimon’ny Nosy, indrindra tao amin’ny Distrikan’Ampanihy, araka ny fijoroana vavolombelona nataon’i Augustin Tirike, mpandrindra ny fampielezan-kevitry ny kandida filoham-pirenena Dr Robinson Jean Louis sady kandida depioten’ny AVANA tany an-toerana.
Anisan’ireny ny fisian’ny hosoka tamin’ny fitanana an-tsoratra, izay efa feno sy vita sonia talohan’ny latsa-bato, ny fisian’ny bileta tsy nisy laharana, ny tsy faneken’ny delegem-panjakana sasany ny hanidiana ny valopy misy ny fitanana an-tsoratra, ka niovan’ny voka-pifidianana teny an-dalana mialoha ny hahatongavany tany amin’ny CENI-T. Hentitra i Augustin Tirike nilaza fa voka-pifidianana diso no voarain’ny CENI-T sy nokirakirainy ka ihazakazahana amoahana vokatra. Nilaza ihany koa ity kandida ity, fa nisy birao fandatsaham-bato vao amin’ny 10ora sy 50 minitra dia efa niroso tamin’ny fanisam-bato fa tsy ampy ny bileta tokana nampiasaina. Tany amin’ny Kaominina Beroy Sud dia nenjehin’ny miaramila hotifirina tamin’ny basy ny Ben’ny tanàna tamin’ny androm-pifidianana, noravana ihany koa ny fifidianana tany amin’ny Kaominina Gogogogo. Mahagaga anefa, hoy i Augustin Tirike fa misy voka-pifidianana tonga any amin’ny CENI-T. Nametraka fitoriana any amin’ny fitsarana manokana momba ny fifidianana miaraka amin’ny porofo maro moa ry zareo mikasika izany, satria tsy hanaiky ny Vahoaka, hoy i Augustin Tirike raha vato tsy narotsany no lazaina fa mandresy.
JD
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.