Augustin Tirike

Am-polo taonany noho efa niarahako niasa tamin’i Tahina


  • Talata 05 Novambra 2024

Nifankahalala sy niara-niasa tamina sehatra maro efa am-polotaonany maro izahay sy Atoa tahina Razafinjoelina

hoy i Tirike , ilay mpanjakan’ny gadona tsapiky. Misy mantsy ireo miezaka manaparitaka hoe izao taona 2024 izao vao miseho ho manampy sy manohana etsy sy eroa satria kandida. Tena diso izany satria mitovy amin’ny fotoana nanomboka nampianarany no niarahan’i Tahina Razafinjoelina niara-niasa taman’olona sy niezahany nanampy ny hafa, izany hoe efa 20 taona mahery. Ho an’ny any amin’ny tapany atsimon’ny nosy manokana raha ny fijoroana vavolombelona nataon’i Tirike dia nanolotra solosaina ho an’ny tanora malagasy ilaina amin’ny fianarana i Tahina Razafinjoelina, nanome fitaovana manadio ny rano, nanome fiofanana ho an’ny mponina any amin’ny tontolo ambanivohitra momba ny fambolena, nanampy betsaka amin’ny fiadiana vovon-drano any ambanivohitra. Marihina tsara fa natao ivelan’ny fanaovana politika ireo rehetra ireo ary tsy hoe nitsahatra fa mitohy hatramin’izao taona 2024 izao hoy i Tirike.Nambarany moa fa tena olona liam-pivoarana, tia fandrosoana, malalaka amin’ny fifanakalozan-kevitra, tia mihaino ny hafa i Tahina Razafinjoelina ary zakany tsara, mendrika azy tsara ny asana ben’ny tanàna.
RTT
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

Hijery ny tohiny
FTT