Augustin Andriamananoro

Mijoro vavolombelona ireo milaza ho nopotehiny


  • Talata 21 Oktobra 2025

Niraradraraka ny famoahana alahelo avy

amin’ireo olompirenena samihafa nijoro vavolombelona ho nahita ny famotehan’ny solombavambahoaka, Augustin Andriamananoro, fiainan’olona maro rehefa nahita ny fanehoan-kevitr’ity depiote ity taorian’ny fisavàna ny fonenany sy ny fananany ny takarivan’ny 19 oktobra teo. Mijoro vavolombelona mihitsy moa omaly ireo milaza ho nopotehiny. Misy ireo milaza fa lasa tany Antanimora tamin’ny fotoan’andro, izany hoe nandritry ny tetezamita 2009 hatramin’ny 2013, nanomboka tamin’ny tale jeneraly sy mpiasa rehetra tamina radiom-pinoana iray ary maty tanora mihitsy ny roa tamin’ireo mpiasa tanatin’izany onjapeo izany vokatry ny fanagadràna azy ireo tamina heloka tsy nataony akory. Ny sasany very asa no sady narary vokatry ny hetraketrak’ity depiote ity, hoy hatrany ny isan’ny ampamoaka nisongadina omaly. Nivantana kosa ny hafatry ny mpanao politika niditra am-ponja tao anatin’ny fitondràna Rajoelina, ny Dr Berija Ravelomanantsoa, izay niantefa tamin’ity depiote ity. Mbola savaina fotsiny ny tranonao dia miseho ho anjely ianao, hoy izy. Tsaroanao tsara ny nanamboranao ahy. Nopotipotehinao ny fiainako sy ny fianakaviako. Tsy namelanao raha tsy maty ny zanako. Ny mamako marary fo andaniana volabe hatramin’izao. Andriamanitra mahay ny ataony, hoy hatrany ity mpanao politika ity. Nilaza koa tetsy ankilany ny mpampaneno lakolosy, Stan’ley Ramarovelo, hoe tadidio hoe inona daholo no ratsy nataonao sy ny namanao! Tsy androany izahay vao nahafantatra anao, hoy izy. Izaho izao lasibatra tamin’ny zavatra nataonao sy ny namanao. Androany vao mody misandoka ho mahay miaina, hoy hatrany kosa indray ity mpampaneno lakolosy vao nivoaka ny fonja vao tsy ela ity.
Nangonin’i J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT