Mandeha ny ketriketrika any amin’ny Etamazaoro politikan’ny fitondram-panjakana any amin’ny fametrahana olona ho Filohan’ny Delegasionina manokana na PDS hanoloana ireo ben’ny tanàna hatrany amin’ny 1695 manerana ny Nosy, izay ho tapitra fe-potoana iasana ny 22 septambra ho avy izao. Ho an’Antananarivo Renivohitr’i Madagasikara, dia Atoa Augustin Andriamananoro minisitry ny jono teo aloha,
ary Tale Jeneralin’ny tetikasan’ny filoham-pirenena no hapetraka amin’io toerana io, raha ny resaka mandeha nanomboka omaly. Izy izany no mety ho ilay PDS hampanaovina fahagagana eto Antananarivo, izay nezahina natao fahirano foana mba hanaratsy endrika ny mpitondra ny tanànan’Antananarivo, izay ny antoko TIM mpifanandrina politika mivantana amin’ny antokon’ny fitondrana rahateo no eo amin’ny familiana hatreto. Mety hirarakopana mazava ny karazana asa fakana doka, toy ny resaka fanadiovana ny fitaterana ny fako ataon’ny SAMVA izay eo ambany fifehezan’ny minisiteran’ny rano. Mety hamoaka vola mivantana amin’izay ny fanjakana foibe mba hoenti-milaza fa rehefa izy ireo no mandray an-tànana ny renivohitr’i Madagasikara, dia afaka manao zavatra sy mandamina ny tanàna, ka ny olon’izy ireo no hofidiana ho ben’ny tanàna avy eo. Politika maloto sy filalaovana fiainam-bahoaka sy fiainam-pirenena anefa izany, ary hahafaha-milaza fa ny antsojay sy ny politika maloto no lehibe indrindra satria nisy ihany ny azo natao kanefa mety nanampy tosika haminganana ny ben’ny tanàna aza no natao. Fahadisoan-kevitra ny tahaka izany ary famotehana tanindrazana, fa mila miara-miasa hatrany ny mpitantana izay ben’ny tanàna lany eto Antananarivo sy ny fanjakana foibe, fa tsy ny loko sy lonilony politika no hamotehana hatrany ny renivohitra, izay fitaratr’i Madagasikara. Sady fanajana ny safidim-bahoaka izany no mariky ny fitiavan-tanindrazana ihany koa, ka mila ovaina amin’izay ny fomba fijery.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.