Atsimondrano

> Vonona miaraka amin’ny tetikasa i Jaona miaraka amin'i Dada


  • Alatsinainy 16 Desambra 2013

Mahatsapa ny fangirifiriana sy ny hetahetan’ireo vahoakan’Atsimondrano ny tenany ka izay indrindra no nahatonga an-dRakoto Andrianiaina Jaona hirotsaka ho kandida solombavambahoaka lah-6, eny Atsimondrano.

Nambarany fa ny fanaovana lalàna no andraikitra miandry ny solombavambahoaka fa tsy hanao fotodrafitrasa na izany aza dia manana tetikasa maro amin’ny famahana ny olan’ireo mponina eny amin’iny faritra iny haroso ny mpanatanteraka ny tenany toy ny fandriampahalemana, fanabeazana, fambolena, tantsaha rahateo ny androatokon’ireo vahoakan’Antsimondrano. Nanambara ity kandida ity ary nanindry mafy fa anisan’ireo kandida nahazo tsodrano avy amin’ny filoha Marc Ravalomanana. «Jaona miaraka amin'i Dada mijery ny vahoaka» rahateo no irotsahany hofidiana.  Porofo mivaingana amin’izany moa, dia nisy ny takelaka iray izay nivoaka tamin’ny fomba ofisialy tamin’ny herinandro lasa teo mahakasika ireo kandida rehetra miaraka amin-dRavalomanana Marc sy ny mpiara-dia aminy dia anisan’ireo ao anatin’izany ny tenany.

Nofy R.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

Hijery ny tohiny
FTT