Politique

Ataovy ny asa f’aza be fihetsiketsehana


  • Alatsinainy 20 Martsa 2023

Ela be isika izay ry jean no tsy nifandray intsony. Samy sahirana tamin’iny fatina COVID COVID iny daholo koa isika mianakavy. Ny anay izao ny fianakaviana sy ny namana dia betsaka no voa mafy.

Maro koa ireo very asa hatramin’izao. Izaho nefa mino fa salama tsara ianao any sy ny namanao. Ireo ministrao koa inoako fa salama be ary nahazo bizna bobaka be tamin’ireny ECRAN plat sy bonbon ireny. Fa mba rahoviana tokoa ho aho ry jean ny fitsarana azy ireny ah? Sa tsy maika noho ny fitsaràna ny zanak’i maitre mpanohitra sy ny fitsarana an’i jean rolly? Sao dia miangatra be loatra ianao ry jean ah. Vao omaly ianao no koboko nandohalika nivavaka be ho an’ny firenena. Saika vaky ny foko nahita ilay akanjo fotsy izay hita fa tsara homana ery. Dia ireny fitafy ivelany ireny foana ve no hanabadoantsika olona ry jean? Nahoana raha tena miditra amin’ny fampihavanana sy fifamelàna marina nefa isika Malagasy e? Ianao anie ry jean no tokony hanomboka an’izany e! Mba kozio ireo troupy jeannete akamano ireo hoe efa tonga minisitra sy tsara toerana ianareo izao hoe. Tsara raha matotra amin’izay fa maika anie mampidina be ny lanjanareo ny fihetsika sy vava tafahoatra ataon-dry jeannette reo e!
Raha tena avy ao am-po ireny vavaka ireny ry jean kely dia tokony mba hanoro hevitra anao i mopera jean pedro hoe tsy ireo fihetsika fampitahorana lava sy ireo fomba taloha intsony no ahafahana hampandroso firenena ah. Nety ireny nanaovana amboletra nangalana fanjakana, fa tsy mety ireny hampandrosoana. Ireo dahalo sy mpanendaka izao mahazo aina daholo fa sahirana manohitra ny mpanohitra etsy analakely fotsiny ry jean beboty.
Tsy aleo ve ry jean miditra amin’ny tena fampandrosoana amin’izay ah, tsy propagandy intsony anie izao fa efa tena izy e! Ianao anie efa tena lany fa tsy kandidà intsony e! Ny tena politika ry jean dia ny fomba entina hitondra fandrosoana fa tsy hoe izay fomba ahalany na mety na tsia ny atao e!
Eny e, aoka izay fa lasa be menomenona be eto aho. izaho koa ary ato efa mihamahia amin’ny tsy fisian’ny asa. Efa lasa 73,7 kilao aho sisa ry jean kely. Loooza!!!!

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT